Politique

Fiveranan’i Dada Mikorotan-tsaina tanteraka ny FAT


  • Alakamisy 17 Febroary 2011

Mazava ary tsy takona afenina intsony fa mikorontana ambony ambany amin’izao fotoana izao ny FAT manoloana ny vaovao misy na koa ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana amin’ny sabotsy izao.

Samy nilaza ny heviny avokoa ary hita fa mifanohitra ny feon’ny tsirairay avy. Ny lapan’Ambohitsorohitra omaly dia nilaza fa misy fepetra noraisina avy hatrany manoloana ny zava-misy. Miompana indrindra indrindra izany amin’ny fampitandremana ireo izay mikasa ny hanakorontana. Ny filankevitry ny minisitra omaly ihany koa dia io no mbola nibahan-toerana. Taorian’ny filankevitra tsotra aza dia nisy iray hafa manokana indray izay ny ministra miandraikitra ny fandriampahalemana ihany no nandray anjara tamin’izany. Ny fanambaran’ny Emmo-Nat, natao tetsy amin’ny toby Ratsimandrava ny harivan’ny omaly, dia mbola nampitandrina ihany koa ireo izay mitady hihoa-pefy. Fampitandremana fihoaram-pefy raha tena zohina no niverimberina.

Tampoka teo anefa dia nilaza ny Emmo-Nat fa efa nohamafisina ny fiarovana ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo rehetra eto amin’ny nosy. Ny tiany hotenenina amin’izany dia ny tsy hahafahan’ny Filoha Ravalomanana miditra eto an-tanindrazana. Mifanohitra tanteraka, arak’izany, ny filazan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny andrim-panjakan’ny FAT.

Afak’omaly mantsy ny ministry ny raharaham-bahiny dia nilaza fa tsy misy olana ny fidiran-dRavalomanana eto, saingy misy fanontaniana maromaro miandry azy fotsiny ihany ary tsy maintsy valiany. Mbola nanamafy an’izany ihany koa ny lehiben’ny Emmo-Reg, ny Jeneraly Ravalomanana izay nilaza fa tsy misy olana ny fidiran’ny Filoha eto rehefa tsy miteraka korontana fotsiny. Mibaribary izany fa tsy miombon-kevitra intsony ny eo anivon’ny andrim-panjakana. Mifanohitra avokoa ny hevitry ny tsirairay. Ingahy Alain Ramaroson sy i Pierre Tsiranana, ohatra, dia nanazava fa tsy hanaiky velively ny hiverenan’Atoa Marc Ravalomanana eto. Asa izay hambaran’i Andry Rajoelina momba ity raharaha ity.

 r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT