Tsy misy resaka fitsipaham-pitokisana izany ato amin’ny antenimieram-pirenena amin’izao ora sy fotoana iresahantsika izao, hoy ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy omaly teny Tsimbazaza raha niresaka tamin’ny mpanao gazety izy.
Mba aiza no ahitanareo an’izany, ary mba lazao anay fa manjary tompon-trano mihono izahay, hoy izy tamin’ny mpanao gazety. Toa mbola resabe, araka izany, ilay resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta na dia niely aza ny vaovao fa 77 ireo solombavambahoaka efa nanao sonia ny fahavononana hanao izany. Mandeha ihany koa anefa ny resaka fa fahazoana fiara tsy mataho-dalana no tambin’ny tsy fanaovana io fitsipaham-pitokisana io, ary toa manamafy izany ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, izay nilaza fa efa any am-pelatanan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny hetahetan’ny solombavambahoaka. Mety ho kely ny herijika hahatanterahan’io fitsipaham-pitokisana io, raha dinihina amin’ny zava-misy ankehitriny. Somary nanao valy bontana mikasika azy io kosa ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier omaly, ka nilaza fa mpiasam-panjakana ambony izy ary afaka manao asa hafa raha miala tsy ho praiminisitra. Efa manomboka tezitra sy manangam-bovona ihany koa ny tenany manoloana ny kiana maro sosona mahazo azy sy ny governemanta tarihiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.