Politique

Fitondrana tetezamita Haharitra 5 taona ?


  • Zoma 06 Mey 2011

Nofinofy sisa, araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy ilay hoe fanatanterahana fifidianana amin’ny volana septambra 2011, satria tsy mbola misy mandeha araka izay tokony ho izy ny zava-drehetra, ary na ny lalàna mifehy ny fifidianana aza, mbola hiadian-kevitra eny amin’ny Parlemanta ary tsy fantatra izay ho fivoakany eo.

 Ny lalàna mifehy ny antoko politika tsy mbola hita mazava, ny mpanao politika mbola mifanaritaka sy tsy mahalala afa tsy ny hahazo toerana sy seza ary tombontsoa manokana. Efa miasa mafy ihany ny CENI amin’ny fikarakarana ny lisi-pifidianana saingy mbola tena maro ireo faritra saro-dalana tsy voatsidik’izy ireo ary Fokontany maro be manerana ny nosy, eny fa na eto an-drenivohitra aza, no mbola sahirana amin’io resaka fanisam-bahoaka sy fanavaozana ny lisi-pifidianana io, satria mbola mitoetra ny lonilony eo amn’ireo olon’ny fitondrana teo aloha sy ny olom-boatendrin’ny fitondrana ankehitriny amin’ny fitantanana ny raharaha eo anivon’ny Fokontany. Iaraha-mahita koa izao fa toa mbola mieritreritra ny hitety izao tontolo izao ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina ka hanao tahaka ny nataon’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2002 ka hatramin’ny 2004, mba handresy lahatra ny any ivelany hiara-kiasa sy hanampy an’i Madagasikara.

Ny olana maro samihafa isaky ny sehatr’asa eto amin’ny firenena ao anatin’izany rehetra izany dia tsy mampisy mihitsy ny fitoniana, mbola manginy fotsiny moa ny fahamaroan’ireo gadra politika eto amintsika amin’izao fotoana sy ny sakantsakana atao amin’ny olona maro mba tsy hahafahan’izy ireo mirotsaka hofidiana. Tsy vitsy, araka izany, ny olona sy vondron’olona ary fikambanana mieritreritra fa tsy tokony hirotorotoana mihitsy ny fanaovana fifidianana raha tiana hizotra tsara ny fanovana eto Madagasikara. Ralison Roger, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita moa dia efa nilaza mihitsy herinandro lasa izay fa tokony hambara ny marina fa tsy ho tratra mihitsy izany fanatanterahana fifidianana amin’ny volana septambra izay, eny fa na dia amin’ity taona ity aza satria tsy milamina tsara araka ny tokony ho izy ny tany sy ny fanjakana.

Noho izany rehetra zany dia hita fa mety hitombina ihany ilay vinavina hoe dimy taona ny tetezamita izay vao vita ny fanitsiana sy fanovana, ny fampihavanana sy fifamelana ary ny fifidianana. Ny tatsy Cote d’Ivoire aza moa tetezamita nandritra ny dimy taona fa mbola nifanolanana ihany ny fifidianana ary mbola nisy ady an-trano mihitsy. Lesona tokony horaisin’ny rehetra ireny, hoy ny mpanao politika iray fa tsy hoe rehefa vita ny fifidianana dia milamina ny firenena, fa ny fandraisana fepetra maromaro hampilamina ny fiarahamonina aloha no tokony hatao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT