Politique

Fitondrana taritokana Mampijabaka indray


  • Talata 01 Martsa 2011

Nipoitra tampoka ary nanao fanambarana niaraka, omaly, i Dolin Rasolosoa, Raharinaivo Andrianatoandro ary Ranto Rabarisoa, izay filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Kongresin’ny tetezamita ary ny Filankevitra miaramila momba ny fiarovam-pirenena.

Niseho izany ao ankatoky ny famoriana mpanao politika kasain’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT hatao, ary koa taorian’ny fanambarana niaraka nataon’ny lehiben’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC, Joaquim Chissano sy ny filoha Marc Ravalomanana lehiben’ny ankolafy Ravalomanana, niainga tatsy Sandton Afrika Atsimo, ny 26 febroary teo, milaza fa tsy midika ho fankatoavana ilay sori-dalan’ny SADC ny fanaovana sonia fahavononana hidinika azy iny, ary mbola hisy fivorian’ireo lehiben’ny ankolafy sy fikambanana antoko lehibe eto amin’ny firenena amin’ny hanaovana sonia izay sori-dalana ifanarahana.

Amin’izy telolahy filohana andrim-panjakana najoron’ny FAT iretsy anefa dia tetika natao hampitarazohana ny krizy io fanapahan-kevitra niainga tany Sandton io ka tsy azon’izy ireo ekena. Rehefa izay dia nitaona ireo mpanao politika izy ireo hanao sonia io sori-dalana io. Ho an’ny mpanara-baovao dia fiarovana seza avokoa no anton’ity fanambarana iarahana ity. Mazava mantsy fa rehefa tafapetraka ny tetezamita iaraha-mitantana takian’ny rehetra, indrindra ny Ankolafy telo, dia hanjavona ho azy amin’izany toerana izany izy ireo, ka tsy misy afa tsy fitondrana taritokana ihany sisa hahatavela azy ireo amin’ny toerana misy azy avy ankehitriny. Koa raha hikiry amin’izay fitondrana taritokana izany i Andry Rajoelina dia andraikitr’izy ireo manontolo ny ho fiantraikan’izany eto amin’ny firenena.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT