Politique

Fitondrana frantsay Tsy mankato ny fitazonana an’i Mamy Rakotoarivelo


  • Zoma 18 Martsa 2011

Nizara ny fomba fijeriny tamin’ny mpanao gazety omaly ny mpitondra tenin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay sy ny raharaha eoropeanina mahakasika ny fitazonana an’i Mamy Rakotoarivelo.

«Arahinay maso ary jerenay akaiky ny mahakasika ny lafiny ara-pitsarana izay nitarika ny fisamborana an’i Mamy Rakotoarivelo izay anisan’ny lehiben’ny mpanohitra ary lehibe ihany koa eo anivon’ny Tiako I Madagasikara. Mahakasika ny fitazonana azy sy ny fanalavana fitazonana vonjimaika azy mandritry ny 15 andro dia tsy mitondra velively ho an’ny amin’ny fampitoniana io, araka ny fijerinay azy. Io anefa no tena vaindohan-draharaha tamin’ny sori-dalana izay nasiana rangopohy ny 9 martsa lasa teo» raha araka io fanambarana io.

«Irarianay anefa ny mba tsy hanakorontanan’iny tranga iny amin’ny asa izay nataon’ny mpanelanelan’ny SADC izay eo an-dalam-pamaranana ny sori-dalana ankehitriny. Io sori-dalana io dia efa mba manamarika ny mety hisian’ny vahaolana amin’ny fivoahana voalanjalanja amin’ny krizy eto Madagasikara ary rehefa eken’ny rafitra mpanapaka eo anivon’ny SADC sy ny vondrona afrikanina izany dia hipetraka amin’izay ny governemanta iraisana. Ny tanjon’io governemantan’ny tetezamita io dia ny hisian’ny fifidianana ara-dalàna sy eken’ny vondrona iraisam-pirenena ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana. Antoka iray izay hiverenan’ny fiandrianam-pirenena sy ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena» raha ny votoatin’ilay fampitam-baovao hatrany.

Raha adika tsotra dia manameloka ny fisamborana sy ny fitazonana an’i Mamy Rakotoarivelo ny Frantsay. Izy ireo rahateo dia fantatra fa efa nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitra akaiky ny fanadihadiana mba hilazan’ireo fa tsy tokony ho ny DST velively no mitondra ny raharaha fa ny Emmo-Reg. Tsy nahasakana ny fitazonana ny Sekretera jeneralin’ny Tiako I Madagasikara anefa izany. Omaly ihany koa dia naneho ny heviny ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo ary tsy mifanalavitra amin’io an’ny Frantsay io ny fomba fijeriny. Mazava izany fa tsy ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny zava-mitranga…

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT