Politique

Fitanana an-dRakotoarivelo Tsy noresahin’i Andry Rajoelina, tsy nahoan-dry Mémé


  • Alakamisy 17 Martsa 2011


Tsy nanisy resaka na indraim-bava akory momba ny fitanana an’i Mamy Rakotoarivelo, voarohirohy noho ny raharaha Masay, i Andry Rajoelina omaly taorian’ny namerenany nanendrena indray an’i Camille Vital ho Praiministra. Nangina tsy niloa-bava koa ry Yves Aimé Rakotoarison. Itsy voalohany angamba mety hilaza fa ho fanajana ny fahaleovantenan’ny mpanao fanadihadiana no tsy itenenany. Tsy takona afenina anefa fa sampana miankina mivantana aminy ny DST, izay nampisahanina ny fanadihadiana sy fikarohana izay tompon’antoka tamin’ilay fipoahan-javatra teny Marais Masay ny 03 martsa tamin’ny fotoana nandalovan’ny fiara nitondra an’i Andry Rajoelina hihazo an’Ambatobe misy ny toeram-ponenany. Mpitarika ny ankolafy Ravalomanana eto Madagasikara no tanan’ny DST eny amin’ny BC, ary efa voasoketa mialoha ny fitsarana ho mpaniraka mpanapoaka baomba. Mangina tsy andrenesam-peo anefa ry Mémé, izay manitrikitrika ombieny ombieny fa mpiara-mitarika ny ankolafy Ravalomanana, fa mbola seriny amin’ny resaka seza sy tombontsoa.

 
Jean D.
 

Sary : Ny tarik’i Yves Aime Rakotoarison avy nihaona tamin’i Andry Rajoelina tao Ambohitsorohitra ny alatsinainy 14 martsa (sary : Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT