Politique

Fitakiana ny fivoahan’ny Kly Charles Nijoro omaly ny Grand Sud Est Manakara


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011

Manao randramitarika any Vatovavy Fitovinany ny hetsika fitakiana ny famoahana ireo gadra politika, indrindra ny kly Charles Andrianasoavina nataon’ny Tatsimo Atsinanana tao amin’ny La Rotonde ny alarobia 26 janoary lasa iny.

Taorian’ny fivoriana tao amin’ny Sidi Hotel dia ny tolakandron’ny alahady 30 janoary dia tafatsangana ihany koa ny biraon’ny Grand Sud-Est ao Manakara, nahitana raimandreny sy Ampanjaka tarihin’i Bemanara Charles sy Velonjara Bernard. Manamafy ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra politika rehetra tsy ankanavaka izy ireo no misintona ny sain’i Andry Rajoelina ihany koa mba hampandefitra ny hambom-pony, fa raha olona nametraka azy indray no atao toy io dia tsy ifanarahana izany, ary hihetsika ny Sud-Est manontolo, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo. Niatrika ity fihaonana ity i Mahatoa Honoré tonga nisolotena ny Grand Sud-Est Antananarivo.

Nanamafy ny fisian’io fihaonana tao amin’ny Sidi Hotel io ny PDS-n’i Manakara, Sileny Alban saingy nilaza fa hanao fanambarana fanoherana io hetsiky ny Tatsimo Atsinanana tao amin’ny La Rotonde sy Manakara izy ireo amin’ny faran’ity herinandro ity. Nambarany fa «matoa azo ny fanjakana, dia ny vahoaka no niara-nihetsika, karazany nijapy ihany ny kly Charles». Hentitra ny PDS Sileny Alban nilaza fa tsy afaka hanome toerana hanaovana hetsika izy raha mikasika ny fitakiana famoahana ny Kly Charles 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT