«Tsy marina ny voalazan’ny fitondrana FAT mikasika ny fisondrotam-bidim-piainana ho 12% monja araka ny tatitra ara-bola nataony farany», hoy Atoa Randrianarivonizandriny Céléstin mpitarika ny mpiasam-panjakana legalista, «tamin’ny fotoana namoahan-dry zareo io salan’isa io fotsiny dia 800 Ar ny kilaon’ny vary lasa 1400 Ar, ny siramamy 2000 Ar efa tafakatra 3200 Ar izany fotoana fohy monja ary ny menaka 2500 Ar dia efa lasa 4000 Ar raha tsy hitanisa afa tsy ireo fotsiny isika». «Tsy latsaky ny 25% izany ny fiakaran’ny vidim-piainana eto amintsika raha ireo notanisaina teo ireo no jerena», hoy ity mpitarika ny mpiasam-panjakana legalista ity.
Mazava ho azy fa karazana fampandriana adrisa ho an’ny mpiasam-panjakana ilay hoe fisondrotan-karama 10% voaresaky ny Filohan’ny FAT tamin’ny kabary fifampiarahabana taona vaovao teny Iavoloha satria tsy mifanaraka velively amin’ny zava-misy voatanisantsika teo. Ary raha ny amin’ny hoe : nasondrotra 25% ny (SMIG) na karama farany ambany indrindra raisin’ny mpiasa, rehefa nojerena dia tsy misy na mpiasam-panjakana iray aza mandray izany intsony». «Ny atao hoe « SMIG » mantsy», hoy Atoa Randrianarivonizandriny ihany, «dia karama farany ambany mifanandrify amin’ny marikarama 275 ka ireo olona vao ampidirina hiasa tsy manana afa tsy ny diplaoma CEPE no mety handray izany. Ireo mpiasam-panjakana vao nampidirina farany teo anefa manana ny mari-pahaizana bakalôrea avokoa. Ireo fonksionera am-perinasa indray, saika efa nahavita 20 taona na latsaka kely ny ankamaroany ka efa mahazo ny tambin’ny fahelana niasa avokoa ary efa marikarama 400 sy 450 daholo. Izay no nilazana fa tsy misy voakasik’izany intsony ny mpiasam-panjakana”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.