Politique

Fisamborana sy fampijaliana ataon’ny FAT Nampahanfantarina ny Amnesty sy ny Firenena Mikambana


  • Talata 22 Martsa 2011

Fomba fiadin’ny fitondrana ankehitriny ny fisamborana arahana fampijaliana ireo olona sy mpanao politika tsy mitovy hevitra aminy.

Nalaza tokoa tamin’iny herinandro lasa iny ny fitanana an’i Mamy Rakotoarivelo, mpiara-mitarika ny ankolafy Ravalomanana izay nampangaina ho mpaniraka ireo nanapoaka baomba teny amin’ny Marais Masay rehefa nandalo ny fiara nitondra an-dRajoelina. Ny fijoroana vavolombelona nataon’i Misa, iray amin’ireo voasambotra dia efa ampy nitazonan’ny DST ity mpanao politika ity. Ny fianakavian’i Misa anefa dia samy nanamafy fa noterena an-keriny tamin’ny alalan’ny fampijaliana ara-batana hanonona ny anaran’i Mamy Rakotoarivelo izy. Santionany amin’ireo fampihorohoroana mahazo ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ihany iny raharaha iny satria raha ny fijoroana vavolombelona nataon’i Ianonjafy Marcellin, depiote taloha ary efa Ben’ny tanànan’i Sambava ihany koa, dia misy lehilahy roa Mamaso sy Jaquinot koa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ny 1 martsa 2011 teto an-drenivohitra

. Tsy misy antony mazava nisamborana azy roalahy ireo afa-tsy ny resaka politika, hoy i Ianonjafy Marcellin. “Nihatra ny vono isan-karazany nandritra ny fitanana azy ireo teny amin’ny zandary ka in-telo torana mihitsy i Jacquinot mialoha ny raharaham-pitsarana. Naratra kosa ny tarehy, ny tanana ary ny lamosin’i Mamaso. Daroka hatrany no nihatra raha vao manda ny fanontaniana apetraky ny mpanao fanadihadiana” raha ny fitantaran’i Ianonjafy Marcellin ny zava-nanjo azy ireo hatrany. Manoloana izany toe-draharaha izany dia mametra-panontaniana ity mpanao politika avy amin’ny ankolafy Zafy ity raha miverina indray ny fanjanahantany sy ny fanjakana tsy refesi-mandidy. Tsy nipetra-potsiny koa anefa ny tenany fa efa nandefa taratasy mampahafantatra ny zava-misy amin’ny Amnesty international sy ny Firenena Mikambana.

 

Sary : Ianonjafy Marcellin (havia amin’ny sary)

 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT