Manoloana ny fisamborana mpanao politika miseho lany izao indray dia mihetsika ny “Comité de solidarité” tarihan-dRtoa Lalatiana Ravololomanana ary eo ambany fiahian’Atoa Fetison Rakoto Andrianirina. Hihaona amin’ny mpanao gazety etsy Besarety ry zareo anio maraina hanazava indray ny fipetraky ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. Hanampy tosika ny Ankolafy 3 amin’ny fanaterana ny taratasy ho an’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo etsy Ankorondrano koa ry zareo ny tolakandro ary mbola hiverina hihazo an’i Magro Behoririka avy eo. Omaly tetsy amin’ity toerana fanohizana ny tolon’ny ara-dalàna ity no nanambaran-dRtoa Lalatiana Ravololomanana izany fandaharam-potoana rehetra izany. «Roa taona izay isika nitsikera ny tsy mety ataon’ny FAT ”, hoy izy, “tsy mety miova amin’ny heviny ry zareo ka i Andry Rajoelina miala ihany no fanafodiny. Roa taona koa no nitenenantsika teto fa tsy maintsy mandresy ny tolona. Betsaka ny efa lasa niova lasy. Tsy maintsy mipetraka ny safidy hoe isika sa ry zareo no manan-kery ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.