Politique

Firohotana HAFARI Ahiana hipoaka ny sosialim-bahoaka


  • Zoma 06 Mey 2011

Ny krizy ara-tsosialy izao no mahamaika ny famahana azy mialoha ny krizy politika, hoy ry zareo ao amin’ny firohotana HAFARI (Hery sy Andry Fiarovana an’Antananarivo-Renivohitra Iombonana).

Mahagaga azy ireo ny fihetsiky ny tompon’andraikitra sasany miseho manapa-kevitra hentitra amin’ny fandaminana atao toy ny hoe tsy ao anatin’ny tetezamita izany isika. Misy vahoaka noana izao, mijaly tsy manan-kohanina, hoy ny Hafari, izay no ahiana hipoahan’ny sosialim-bahoaka. Ka mila mandray andraikitra ny isam-batan’olona. Ry zareo Hafari dia efa ela no niantsoroka fijerena manokana ny sosialim-bahoaka toy ny fanadiovana ny lakandrano Adama manakaiky ny tsenan’Anosizato izay maloto dia maloto tokoa. Nisy famerenana fanadiovana an’io toerana io ny talata 3 sy alarobia 4 mey. Teo koa ny fanolorana “gas oil” 20 litatra ho an’ny polisin’ny Boriborintany faha-5 ny talata teo ihany hoentin’ireo mpitandro ny filaminana manao fisafoana eny amin’iny fokontanin’Anosizato Atsinanana iny sy ny manodidina.

Mbola hitohy anio alakamisy 5 mey izany tolo-tanana izany, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, mpiara-mitantana. Eo amin’ny fikarakarana sosialin’ny tanora dia efa niantso mpanazatra nasionaly koa ny Hafari nampianatra lalàn’ny baolina kitra ny klioba FCAZ D-2 Anosizato ary niara-niombon’antoka tamin’ny ministeran’ny mponina tamin’ny fanolorana amboara tamin’ny lalao “Rugby à XV” nokarakarain’ny fikambanana Tamia teny Anosizato. Marihina fa hitambaran’ny fikambanana maromaro toy ny Acat Madagascar, Fidemar, Kintan’Ikopa Madagasikara ary ny Tamia Boriborintany faha-5 ity firohotana Hafari ity ka fiaraha-mitantana no hitondrana azy. Fitaizana ny mponina amin’ny fahadiovana, fitaizana ny tsirairay handray andraikitra no foto-kevitra imasoany amin’ny ankapobeny.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT