Politique

Filohan’ny Filankevitra monisipaly Fianarantsoa Nandresy mazava ny zanak’i Dada


  • Zoma 27 Mey 2011

Rarison Hilarion no filohan’ny Filankevitra monisipaly ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Fianarantsoa mandritra ity taom-piasana 2011 ity.

 Havaozina isan-taona ny fitantanana ny Filankevitra ka ny talata 24 mey teo no natao ny fifidianana ho an’ity taom-piasana vaovao ity tany an-toerana. Tamin’ny isam-bato 8 amin’ny 11, tonga niatrika fivoriana no nifidy azy. Diso fantatra loatra ao Fianarantsoa Rarison Hilarion. Eo amin’ny lafiny politika dia avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), ary io no lisitra nahavoafidy azy ho mpanolotsain’ny tanàna. Nisy fito izy ireo no avy amin’ny TIM, niampy avy amin’ny lisitra tsy miankina “Havana Naina Mora entana” (izay nivadika ho TGV ny ankamaroany) sy Tambatra (2) ary Monima (1).

Filohan’ny TIM Distrikan’i Fianarantsoa I tamin’ny fitondrana Ravalomanana Rarison Hilarion. Efa “Chargé de mission” tao amin’ny Antenimierandoholona, fony i Yvan Andriasandratriniony, filohan’io andrim-panjakana io. Anisan’ny nitondra faisana tamin’ireny fihetsehana tamin’ny 2009 ireny ny ankohonany, satria dia notafihin’andian-jatovo miisa folo teo ny tranony. Afa-nitsoaka ny tenany fa ny vadiny no torana sy safotra teo ka nentin’ny Fokonolona tany amin’ny hopitaly. Na dia maro aza ireo sedra sy fanambatambazana an’i Hilarion, dia tsy mbola niova amin’ny maha zanak’i Dada azy izy. Eo amin’ny lafiny sosialy dia Filohan’ny Ligin’ny baolina kitra Matsiatra Ambony i Rarison Hilarion, ka taom-piasana fanindroany ny azy izao.

Atoa Bertrand, mpanolotsaina voafidy tamin’ny lisitra tsy miankina, izay nivadika ho TGV nony taty aoriana, ary filohan’ny Filankevitra monisipaly am-perinasa, no nifaninana tamin’i Hilarion tamin’ity fifidianana ity. 11 no tonga nifidy, ka lasan-dRarison Hilarion ny vato 08 ary 03 ny an’Atoa Bertrand. Nandresy mazava ny zanak’i Dada.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT