Politique

Filohan’ny FAT Izy mitety tany, ny tanŕna mihamafana


  • Alarobia 18 Mey 2011


 Tsy niandry iray andro dia efa lasa nizotra any Afrika Atsimo ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina. Mitohy hatrany ny fitetezana firenena ataony mba handresena lahatra ny firenena mikambana ao amin’ny SADC hahazoana ny fankasitrahana iraisam-pirenena. Tsy hita mazava anefa izay vokatr’izany hatreto. Ny olana aza dia mitombo isan’andro ny toerana mihamafana noho ny raharaha politika ary efa tsy voafehin’ny olony eto an-toerana sy ny minisitra isan-karazany intsony ny raharaha sasantsasany, raha tsy hilaza afa tsy ny eny amin’ny oniversite fotsiny. Tsy nasian-dresaka akory hatreto ary na ny minisitra aza dia nangina tsy nahaloa-bava amin’izao fotoana izao, fotoana izay tokony hanomezana toky ny mpianatra ka hampilamina azy ireo.

 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT