Politique

Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita Nanjakan’ny UDR ny fifidianana filoham-baomiera


  • Alakamisy 12 Mey 2011


 Araka ny laharana faha-16 ny hitsivolana 2010-010 ny 17 oktobra 2010 sy ny laharana faha- 7 sy faha-20 ny fitsipika anatin’ny mpikambana ato amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita dia notanterahina omaly alarobia 11 mey ny fifidianana ny filoham-baomiera telo mba hoentina hanoloana ireo filoham-baomiera taloha izay voatendry minisitra nahitana an’i Reboza Julien, Rabenirina Jean Jacques izay samy mpikambana amin’ny Vondrona Parlemantera ary Ramanantsoa Benjamina izay avy amin’ny Vondrona ESCOPOL.

Araka izany dia voafidy ho filohan’ny vaomieran’ny fanajariana ny tany, ny fanapariaham-pahefana, ny atitany ary ny fananantany i Raholdina Naivo izay natolotry ny vondrona parlamantera UDR-C, filohan’ny vaomieran’ny fifandraisana iraisam-pirenena i Elia Ravelomanantsoa izay natolotry ny vondrona parlemantera ESCOPOL ary filohan’ny vaomieran’ny fizahantany sy ny asa tanana i Joseph Yoland izay natolotry ny vondrona parlemantera UDR-C. Ho mariky ny fanohizan-draharaha, dia samy avy amin’ireo Vondrona ireo ihany koa no nandimby toerana ireo lasa minisitra vokatry ny fifidianana natao. Mpikambana 55 no nandray anjara tamin’ny fifidianana.

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT