Politique

Fikambanana Otrikafo Hamoaka sori-dalana vaovao


  • Alarobia 04 Mey 2011

Hisy ny drafitra vaovao havoakan’ny Otrikafo izay tarihan-dRajaonah Andrianjaka ny sabotsy ho avy izao, fotoana hanaovan’ny fikambanana fivoriambe ihany koa.

Nangingina ny Otrikafo tao anatin’ny iray volana teo ho eo, nandinika ny zava-misy sy ny tontolo politika tamin’ny ankapobeny ary hilaza ny heviny amin’izay manoloana ny fitarazohan’ny famahana ny krizy. Hatramin’izay dia tsy mankasitraka mihitsy ny fijabahan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy ny Otrikafo ary namerimberina fa ny tombontsoa mifanipaka no nahatonga ny fifanolanana ka nampirehitra ny krizy teto. Tsy midika velively anefa izany, araka ny nambaran-dRajaonah Andrianjaka fa hoe hitoka-monina tanteraka i Madagasikara. Tsy maintsy ilaina ny fifandraisana sy ny fifanakalozana ara-barotra amin’ny any ivelany saingy mila fitandremana sy fahamailona tanteraka izany ary tsy tokony hanosihosy mihitsy ny fiandrianam-pirenena.

Ny Otrikafo dia anisan’ireo fikambanana politika tsy dia mankasitraka ny resaka marimaritra iraisana sy fiaraha-mitantana. Amin’izy ireo dia tsy hisy mihitsy ary tena fandaniam-potoana ny fikarohana izany. Nilaza moa ny mpitarika ny Otrikafo fa tokony ho i Andry Rajoelina sy ireo miara-dia aminy irery no hitantana sy hitondra ny tetezamita amin’izay mora ny mitsara azy ireo sy mandrefy ny zava-bitany, fa raha fitantanana bemiray no atao, dia ho sarotra ny asa ary hifanilika andraikitra fotsiny avy eo, hoy ihany i Andrianjaka Rajaonah, filoha nasionalin’ny Otrikafo. Araka ny tsiliantsofina re dia ho henjankenjana ihany ny fanakianana ny FAT hataon’ny Otrikafo amin’io sabotsy io ary mety ho maromaro ihany ny manampahefana ho voakiana ao.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT