Ny zavatra nambaran’ny Ankolafy 3 no mitombina kokoa raha ny fivoriana tany Gaborone no resahina satria tsy tonga dia sonia no natao tany fa fakan-kevitra mihitsy aloha ary niroso tamin’ny adihevitra avy eo. Tsy tokony hapetraka amin’ny hoe iza no resy sy maharesy amin’ity resaka ity fa ny fanantenana amin’ny ahitana ny marimaritra iraisana eo amin’ny mpanao politika mba hampilamina ny firenena ary hampivaha ny krizy no tena mahadodona ny olon-tsotra. Tahaka izao ny hevitry ny vitsivitsy sendra ny gazety Tia Tanindrazana.
Tiana, 33 taona : «Raha naharaka tsara ny fanelanelanana nataon’ny SADC hatramin’izay dia tsy tokony ho gaga tamin’ny zava-nitranga tany Gaborone, dingana maromaro mifampitohy mantsy na processus no fomba famahana ny krizy tahaka ny misy eto amintsika fa tsy misy an’izany hoe mivory in-dray mandeha na in-droa dia hita ny marimaritra iraisana ary miravona ny disadisa rehetra. Amiko dia efa manakaiky ny hivoahana amin’ny krizy raha mahay mifandefitra amin’izay ireo mpanao politika fa tsy variana amin’ny fiarovana ny tombontsoany».
Jonah, 45 taona : «Ity mpanao politika samy manana ny fomba filazany ity no manahirana anay olon-tsotra. Tsy hita intsony izay tena marina. Amiko manokana, araka ny vaovao hitako sy reko dia fakan-kevitra sy adihevitra no natao tany Gaborone, ary nanainga ny ankolafy rehetra ny mpanelanelana mba handefitra ary hijery ny tombontsoa iombonana. Raha ny fahitako azy ihany anefa dia tsy hanaiky io marimaritra iraisana io i Andry Rajoelina fa hitady hevitra hialana amin’izay tapaka tany Gaborone indray».
Mbolatiana, 27 taona : «Izaho dia mahita fa ny fihaonan’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ihany no tena hampitony an’ity firenena ity. Ireo no tena mpifanandrina fototra, manabe isa fotsiny ny ankoatra izay ary mitady toerana sy seza. Tsy maintsy hisy ny marimaritra iraisana hivoaka fa ilay fampiharana azy anie no olana foana e ! Ka mila miresaka sy mifandamina tsara ireo niaingan’ny krizy fa raha tsy izany io tsy hivaha izany fa dia hisy fivoriana isaky ny telo volana dia hitohy lava reny ny fahasahiranana ho an’ny vahoaka».
Nirina, 42 taona : «Hitako nisongadina tamin’iny fivoriana tany Gaborone iny fa vava be sy kabary fotsiny ny an’ny FAT fa raha ny tena marina dia tsy afaka manao na inona na inona izy ireo ary tsy afa-bela amin’ny SADC. Hitako ihany koa fa mbola matanjaka sy manana ny maha izy azy na eto Madagasikara na any ivelany ireo filoham-pirenena telo mirahalahy teo aloha ka tsy tokony hanao tsinontsinona azy ireo mihitsy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina satria raha mamaky ady amin’ireo izy dia tsy tafavoaka mihitsy».
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.