Politique

Fihaonana any Gaborone Kely finoana i Alain Mahavimbina


  • Talata 07 Jona 2011

“Tsy manana finoana hivoahan’ny hevitra fandaminana ny krizy Malagasy any Gaborone aho”, hoy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina.

 Aminy dia efa betsaka izay fanaovana sonia sy fihaonana natao tany ivelany izay, niatomboka tao Maputo, tonga tany Addis Abeba ary efa tao Pretoria Afrika Atsimo ihany koa. “Roa taona izay no lasa mbola krizy hatrany isika”, hoy izy. Aminy ny zavatra tokony hatao izao dia tsy miandry izay avoakan’i Gaborone, fa ny fitadiavana fankatoavana nasionaly, ka hifanome haja sy voninahitra amin’izay ny tsirairay sy ny mpanao politika, ary hamela ny tetezamita handeha hahatongavana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara marina iarahan’ny rehetra manomana. “Ny vahoaka Malagasy mantsy dia efa leo krizy sy politika misy ankehitriny, ny tadiaviny izao dia ny hifidy izay tiany hitondra azy amin’ny fandrosoana sy fampandrosoana ary hitantanana ny firenena satria zo fototry ny vahoaka ny mifidy izay tiany hitondra azy ary izay ihany no miantoka ny fankatoavana iraisam-pirenena tadiavina mafy tao anatin’ny izay roa taona mahery ny krizy izay”, hoy hatrany i Alain Mahavimbina.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT