Tsy hanova na inona na inona amin’izay fanapahan-kevitry ny departemanta misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina amin’ny fampiharana ny sazy voarakitry ny sata afrikanina ho an’ny demokarsia sy ny fifidianana ary ny fitantanana, ny fandraisan’i Andry Rajoelina anjara na tsia amin’ny dinika hatao any Gaborone, araka ny fahitan’ny Front Républicain et Démocrate Légaliste na ny FRDL tarihin’i Tonton Ambroise azy. Ny fametrahana ny departemanta misahana ny fiarovana, ny fandriampahalemana ary ny politika amin’io fihaonana io, araka ny fanazavana ihany, dia midika fa handray fepetra ho an’ny lehiben’ny FAT ny fitsarana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina.
Ankoatra izay dia milaza izy fa manaraka akaiky dia akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ny FRDL, tahaka ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa. Ao anatin’izany ny hetsiky ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana sy ny momba ny profesora Zafy Albert. Araka izany dia mampitandrina ny eo anivon’ny Emmoreg ny FRDL ny amin’izay herisetra hampiharina amin’ity filoha teo aloha ity sy ireo vahoaka manao fitakiana am-pilaminana. Manantitra ny fitakiany amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ireo sesitany politika ny FRDL ary dia manohana hatrany ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana amin’ny maha filoha lanim-bahoaka azy.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.