Politique

Fihaonamben’ny Firaisamonim-pirenena Mainty ny tabilaon’ny FAT


  • Talata 24 Mey 2011

Henjana dia henjana ho an’ny mpitondra ankehitriny ny fehin-kevitra navoakan’ny fihaonamben’ny firaisamonim-pirenena an-jatony notontosaina teto Iarivo ny faran’ny herinandro lasa teo.

 Nambaran’izy ireo fa mitotongana ny toekarena, tsy misy ny fitondrana tsara tantana sy ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena, mihamaro ny very asa, miaina ao anaty tsy fandriampahalemana lalimpaka ny vahoaka, miha potika haingana ny tontolo iainana, mitombo ny tahan’ny fitsoahana an-daharana any an-tsekoly, mitombo ny kolikoly eo amin’ny sehatra maro. Tsy ampy fahamatorana sy fitiavan-tanindrazana ny mpanao politika ary hidiran’ny politika lalina ny eo anivon’ny tafika, ny fitsarana, ny fitondrana ara-panjakana ary ny fiangonana. Eo anatrehan’izany tabilao mainty izany dia tsy hipetra-potsiny ny firaisamonim-pirenena fa handray andraikitra amin’ny alalan’ny fametrahana ny Governemanta sy ny tompon’andraikitra amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra any amin’ny Faritra tsy miandany.

Nomarihan’izy ireo fa tsy milatsaka amin’ny fifidianana karakaraina mandritra ny tetezamita ny mpikambana rehetra ao anatin’izany. Ny fametrahana tontolo manodidina milamina sy mirindra ahafahana manatontosa ny fampihavanam-pirenena sy ny fifidianana, fitsinjovana ny ara-tsosialy sy ara-toekarena ny vahoaka ary ny fitandroana ny fandriampahalemana no andraikitra sahanin’io governermanta io. Tontosaina amin’ny fotoana mahamety azy koa ny fifidianana mangarahara, azo antoka ary eken’ny rehetra ny firafitra sy ny mpikambana ao amin’ny CENI mba hanana fahaleovantena tanteraka

 
Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT