Politique

Fifidianana Kely finoana ny amin’ny hahatanterahany ny Otrikafo


  • Talata 24 Mey 2011


 “Kely finoana ny amin’ny hisiana fifidianana amin’ity taona ity izahay. Efa tamin’ny taona 2009 anie Rajoelina no efa niteny fa hofaranana amin’ny fifidianana ny tetezamita. Mbola niteny toy izany koa izy tamin’ny 2010 hoe hanao fifidianana, ary dia izao indray. Tsy hanao fifidianana izany izy satria araka ny fifanarahana dia tsy maintsy mametra-pialana izy raha hilatsaka. Ka izay fametraham-pialana izay dia tsy hataony mihitsy satria mifikitra mafy amin’ny toerany i Andry Rajoelina”, hoy Rajaonah Andrianjaka manoloana ny fikasan’ny FAT hampanao fifidianana amin’ity taona ity.

Momba izay fifidianana izay ihany moa dia nanambara ny Otrikafo fa vonona hiatrika izay rehetra hatao na ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna, na depiote na koa izay ho filoham-pirenena raha toa ka mazava ny fitsipi-dalao. Manantena ity antoko ity fa hahafahan’ny rehetra milatsaka izany fitsipika izany. Mino izahay, hoy Rajaonah Andrianjaka, fa ampy ny volan’ny fanjakana hoenti-manana ho amin’izany fa tsy hanao ady an-kafetsena ny mpitondra hanao avo ny anto-bola (caution) ataon’ny kandida. Momba ny fankatoavana iraisam-pirenena indray dia nambaran’ny Otrikafo ihany fa tsy mila izany i Madagasikara fa ireo vola sy harena very mivoaka an-tsokosoko no mila jerena manokana.

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT