Politique

Fifidianana filoham-pirenena Pierrot Rajaonarivelo no kandidan’ny JMDM


  • Zoma 15 Aprily 2011

Nambaran’i Amable André Benjamin, filohan’ny JMDM (Jeunes du Mouvement pour la Démocratie ŕ Madagascar), tamin’ny fotoana nampahafantarana ny fijoroan’izy ireo ny sabotsy 9 aprily teo tetsy Anosibe Antananarivo, fa ho vaindohan-draharahan’ity fikambanana tarihany ity ny fitetezam-paritra hanentana sy hampahafantatra ny tanora ny amin’ny fijoroan’izany JMDM izany.

Raha ny nambarany tamin’ny fitafana manokana taminy anefa dia mbola any amin’ny volana mey vao hotanterahana ny fitsidiham-paritra fa tsy maintsy homena fiofanana manokana aloha ireo mpikambana rehetra hanana andraikitra amin’izany. Fiofanana mikasika ny fifidianana hatrehana sy ny lalàm-pifidianana manokana no hatolotra amin’izany.

Dia hampifandrindran-dalana amin’io fitsidiham-paritra io ny fananganana biraom-paritra sy ny fanofanana ara-politika ny mpikambana vaovao hirotsaka JMDM. Mbola nomarihan’i Amable André fa sampana iray ao anatin’ny vovonana MDM foibe ny JMDM ka manaraka ny fotokevitra fototr’io antoko io. Manana kandida atolotra ho amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ry zareo dia i Pierrot Rajaonarivelo, filoha nasionalin’ny MDM sady minisitra am-perinasa ankehitriny. Mazava loatra, hoy ity filohan’ny JMDM ity fa tsy maintsy mametra-pialana amin’io asa sahaniny ankehitriny io, roa volana mialoha ny fifidianana ity kandidan-dry zareo ity, araka ny lalàna velona.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT