Mpanohana mahafatrapo ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita i Voninahitsy Jean Eugène sy ny vondrona “Les AS” tarihiny.
Milaza ny vonona hiaro amin’ny fomba rehetra ny governemanta vaovao mantsy ny tenany satria manana minisitra roa ao anatiny dia ny minisitry ny atitany Rakoatoarisoa Florent sy ny minisitry ny asa vaventy Zafimbelo Alain. Mampirisika an’i Andry Rajoelina hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy koa izy. “Nitondra ny fanovana teto amin’ny firenena izy ka tsy azo sakantsakanana amin’izany. Misy mantsy ireo mikasa hanakana izay firotsahany izay”. Mihevitra koa ity filohan’ny RPSD Vaovao ity fa fotoana sisa andrasana dia ho azo ny fankatoavana iraisam-pirenena momba ilay sori-dalana.
Nambarany fa ny SADC no namolavola iny sori-dalana iny ka tsy handray fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny heviny mihitsy ity vondrom-paritra ity. Vao nanavao ny birao nasionaliny moa ny “Les AS” izay nahazo namana vaovao ihany koa amin’ny alalan’i Soja Jean André na Kaleta. Ity farany izay diso fantatra loatra amin’ny famadihana palitao satria mpomba mahafatrapo ny amiraly tenany tamin’ireny taona 2002 ireny saingy nanaraka ny filoha Ravalomanana rehefa vaky nandositra tany Frantsa i Didier Ratsiraka. Na dia efa nanangana ny antokony Liaraike aza izy taty aoriana dia nirotsaka hofidiana loholona tamin’ny anaran’ny Tiako I Madagasikara indray. Mialoha ny nidirany ho “Les AS” dia efa tao amin’ny Escopol koa i Kaleta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.