Miteraka resabe eo amin’ny tontolo politika malagasy ny tenin’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita tao amin’ny fahitalavitra vahiny TV5 Monde, ny faran’ny herinandro teo nialoha ny niverenany eto Madagasikara.
Nambarany fa tsy hisy hahazo tombontsoa amin’ny mbola hitarazohan’ny krizy ka dia miantso ireo filoham-pirenena ao amin’ny SADC ny tenany, hanampy amin’ny hanatanterahana fifidianana izay hatao mialoha ny faran’ny volana novambra 2011. Raha ny firesany dia te haneho eo imason’izao tontolo izao i Andry Rajoelina fa efa milamina ny raharaha eto Madagasikara. Ny mifanohitra amin’izay anefa ny zava-misy, porofon’izany ny fijoroan’ireo firohotana vaovao tato ho ato, toy ny «Plate-forme pour la stabilité et la reconnaissance internationale (PSRI)», tarihin’i Gilbert Raharizatovo, ny «Nouvelle Alliance pour un Changement Démocratique», tarihin’i Cécile Manorohanta sy ry Pr Alain Tehindrazanarivelo, raha tsy hiteny afa tsy ireo, nanatevin-daharana ny fitakiana ataon’ny «Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana», tarihin’ny Pr Zafy Albert amin’ny tokony hifampidihan’ny samy Malagasy handaminana ny krizy izao, mba hahazoana manangana ny tetezamita tena izy.
Etsy andaniny dia toa manala tena ho tsy fototr’izao fitarazohan’ny famahana ny krizy izao i Andry Rajoelina. Ny tsy azo hadinoina dia nisy fanonganam-panjakana teto tamin’ny martsa 2009. Nijoro vavolombelona tamin’izany ny Lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, izay nilaza ampahibemaso fa in-droa nanongam-panjakana izy sy i Andry Rajoelina ary mbola nanonona anaran’olona maromaro, mpanao politika sy miaramila, amin’izao fitondrana FAT izao, niara-nanatanteraka izany. Nisy vola be nikararana araka ny ampamoaka nataon’ity manamboninahitra zanak’i Vatovavy Fitovinany ity. Kolonely manongam-panjakana izany, ombam-basy fa tsy vitan-tanam-polo. Vokatr’io dia nandray fanapahan-kevitra ny SADC, ny 30 martsa 2009, fa mihatona tsy mpikambana ao aloha i Madagasikara. Ny tsara hofantarina koa dia, anisan’ny tompon-kevitra nangataka io fampiatoana io ny filohan’i Zambia amin’izao fotoana, Rupiah Banda. Ity farany koa no filoha mitarika ny Troika SADC. Tsy tongatonga ho azy raha tsy nandray an’i Andry Rajoelina izy, raha tonga tany nitady fihaonana mivantana taminy ity farany ny 18 aprily teo. Ny antony, tsy te hanome ohatra ratsy eo anivon’ny SADC ny tenany.
Toy izany koa ny filoha Afrika Tatsimo sady filoha lefitry ny Troika, Jacob Zuma. Mbola tsaroan’ity farany ny fanakanana nataon’ny FAT, ireo delegasiona malagasy miisa 25 avy amin’ny Ankolafy Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana, tsy hahazo hody an-tanindrazana ka tafahitsoka tao Afrika Atsimo nandritra ny folo andro, ny 08 ka hatramin’ny 18 desambra 2009. Delegasiona avy niatrika ny “Maputo III” tany Mozambika ireo, noheverina handaminana ny krizy saingy nikomy tsy hamonjy izany ny ankolafy Rajoelina. Mihenjana ny filohan’ny FAT rehefa nahazo fitenenana tamin’ny haino amanjery iraisam-pirenena, fa fitaovam-piadiana no nasetrin’Atoa Ravalomanana ny fitakiana nataon’ny “vahoaka”, ka tsy azo ekena raha olona nandatsa-dra, sy nanao vonomoka ny mpiray tanindrazana indray no homena amnistia.
Mibaribary eto fa dia tsabahan’i Andry Rajoelina ny andraikitry ny mpanao lalàna. Famindram-po ihany mantsy no azon’ny “filoham-pirenena” omena, fa fahefana madiodion’ny depiote sy lohona “ara-dalàna” ny amin’ny resaka amnistia. Raha heverina ho ara-dalàna ihany koa ny fivoriana mandeha eny Tsimbazaza sy Anosikely amin’izao fotoana, dia mazava fa terena hanaraka ny hevitr’i Andry Rajoelina izany ny fandinihana ny mikasika io resaka amnistia io eny. Ny amin’ny fifidianana kasaina hatao mialoha ny volana novambra 2011 indray dia tsy vao izao no nandrenesana an’i Andry Rajoelina nilaza hanao fifidianana filoham-pirenena. Santionany fotsiny, raha tafaverina avy any Bruxelles izy ny volana jolay 2009 dia nilaza fa hatao ny desambra 2009 ny fifidianana filoham-pirenena. Inona no tsy nahatanterahan’izany mandrak’ity ny androany ? resa-bola ? Tsy mahazo fankatoavana iraisam-pirenena ? Sa inona ? Aza mamilivily resaka !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.