Tsy dia ny fifanarahana na ny sori-dalana loatra no olana hatramin’izay nanombohan’ny krizy izay, fa ny fahavononana hampihatra azy, indrindra fa avy amin’i Andry Rajoelina izy efa malaza maneran-tany amin’ny fivadibadihan-dela.
Rehefa vita ny Maputo andiany faharoa dia nahita tetika hafa hialana amin’ny fampiharana ny zavatra nosoniaviny ny filohan’ny FAT ka nilaza fa mbola hifampiresaka sy hiera amin’ireo mpiara-dia aminy izy aloha izay vao hanapa-kevitra. Dia raikitra tokoa ny fihaonambe teny Ambohitsorohitra ny 2 septambra nitohy teny Iavoloha ny 3 septambra, ka samy mailaka ery nanambara ireo voafantina manokana hikabary fa tsy mila izany fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba izany fa tohizana ny lalana efa nosoritana sy vokatry ny nambara fa hetahetam-piovan’ny vahoaka. Nanaitra ny maro ihany koa ny fanambaran’i Andry Rajoelina tamin’izany fotoana fa tsy afaka mandany andro mankany ivelany intsony ny tenany fa alefa amin’ny alalan’ny mailaka na soratra maro sosona (SMS) any amin’ny SADC sy Vondrona Afrikanina ny valin-tenin’ny ankolafy Rajoelina. Taorian’izay moa dia nanambara mihitsy izy fa tsy filoha mpitarika io ankolafy io intsony ka tsy afaka handray anjara amin’izay fivoriana rehetra manaraka ho avy ao.
Dia nikatso ny famahana ny krizy, nitohy ny fisamborana sy ny fanagadrana, niroborobo ny karazana trafika, anisan’izany ny «bois de rose» sy ny volamena. Dia nibodo tsy nety nihaino izay tapaka rehetra tamin’ny fihaonan’ireo ankolafy politika teo ambany fiahian’ny sehatra iraisam-pirenena ny FAT ary nirehareha tamin’ny sazy azony izy 109 mianadahy mianaka. Nisy ihany koa ny fifanarahana miafina toa ny «Accord d’Epinal» sy «Rueil-Malmaison», izay samy natao an-tsokosoko tany Frantsa, saingy tsy nahomby io resaka io, ary ireo nanohana sy niara-dalana tamin’i Andry Rajoelina tamin’izany fotoana aza efa voatsipaka amin’ny am-bavafony amin’izao fotoana. Nisy ny fifanarahana vita tany Addis Abeba, nametraka azy ho filohan’ny tetezamita ary anjaran’ny ankolafy tarihiny ny manolotra olona ho filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Ady saritaka tao Anosikely tsy nahavita nanendry izay ho filohan’io CST io i Andry Rajoelina, raha efa niasa tao Tsimbazaza i Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nambaran’ny filohan’ny FAT avy eo fa fandanian’andro sy rediredin’ireo very seza ny fihaonana tany Pretoria ka nodiana tsy hita ary tsy noraharahiany mihitsy.
Ankehitriny anefa dia manome tsiny ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy telo amin’ny ankapobeny izay mitaky ny hanitsiana na hanovana ilay sori-dalan’i Simao ny ankolafy Rajoelina, raha ny tena marina anefa dia avy amin’izy ireo no nampikatso ny raharaha rehetra hatramin’izay, satria tsy mahalala afa tsy izay maha mety azy i Andry Rajoelina sy ny tariny ary efa nampiseho tamin’ny rehetra fa talentan’izy ireo ny fivadiham-pitokisana na izy izao aza no nandroso ny satan’ny soatoavina tany Maputo mba samy hitana ny teniny. Ka ahoana moa no hahazoana antoka fa hitana ny teny nomeny sy hanaja ny sonia nataony ity ankolafy ity amin’ity indray mitoraka ity ? Ho an’ny maro dia mazava ny resaka fa i Andry Rajoelina mihitsy no sakana amin’ny famahana ny krizy noho ny fitiavan-tena sy ny hambom-po diso toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.