«Tsy manaja ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ny DST», hoy i Fetison Rakoto Andrianirina omaly, tao Bel’Air misy ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana. «Tsy tokony ho nampahalalana tamin’ny rehetra mantsy aloha ny mikasika an’i Mamy Rakotoarivelo», hoy izy, «satria fitorohana nataon’ireo olona voatonona ho tompon’antoka fotsiny ihany ireny. Tena misy ambadika politika tsotra izao ity fitanana an’i Mamy Rakotoarivelo ity». Nambarany fa hatrany am-boalohany izy ireo no efa niteny fa ilaina alohan’ny zava-drehetra ny fisian’ny fitoniana ara-politika eto amintsika, ka tsy ny fihantsiana na faneriterena intsony no tokony hampanjakana eto, indrindra moa fa ny tsy fanajana ny raharaham-pitsarana sy fanadihadiana.
Mikasika ny fiverenan’ny jeneraly Albert Camille Vital indray eo amin’ny fitantanana ny governemanta, dia nanambara i Fetison Rakoto Andrianirina fa «tsy mitsivalana velively amin’izay voatondro izy raha toa ka tena iombonana marina». Fanontaniana efatra no napetrany manoloana izany. Voahaja ve ny andalana faha-5 ao amin’ilay tondrozotra nimatimatesana ? Moa ve eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena io voatendry io, ary ho azo ve ny fankatoavana ? Hahatanteraka tokoa ny fifidianana madio sy mangarahara ve ny tenany nefa tsikera maro tokoa no niantefa taminy sy ny governemanta notarihiny nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo ? Ary ny farany dia napetrany ny hoe inona avy ireo ezaka nataon’ny praiministra mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena ? “Mbola maro ireo gadra politika tsy tafavoaka ary tsy mbola nisy nisokatra ihany koa ireo haino aman-jery nakatona”, hoy i Fetison.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.