Politique

Fetison Rakoto Andrianirina ”Tsy izay mahafinaritra no tadiavina fa ny ara-dalŕna”


  • Alakamisy 31 Martsa 2011


Nidina an-kianja tao amin’ny Magro Behoririka omaly i Fetison Rakoto Andrianirina nilaza fa nisy ny dingana vita tamin’ny fahazoan’i Mamy Rakotoarivelo fahafahana vonjimaika, toy izany koa izy telo mpiara-miasa aminy akaiky. Na izany aza dia nohamafisiny fa tsy mbola vita ny tolona satria mbola maro ireo any am-ponja noho ny tondro molotra. Notsiahiviny fa mpitolona 3 no hiakatra tribonaly ao Antsirabe anio alakamisy, satria nanentana olona nitsena ny filoha Marc Ravalomanana teny Ivato tamin’ny 19 febroary izy ireo. “Izany no helony”, hoy i Fetison. Mikasika ny fivorian’ny SADC dia nambarany fa nanontany tena ny Troïka raha rangopohy dia ahafahana manangana governemanta. Noho izany dia fantapantatra fa tsy hankatoavin’ny Troïka io tondrozotra io, hoy izy, ary ho tahaka izany ny SADC, ny Vondrona Afrikanina, ny Vondrona Eoropeanina, ary ny Firenena Mikambana. Tsy ny mahafinaritra ny vahoaka anefa no tadiavina fa ny ara-dalàna, ao anatin’izany indrindra ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana sy Didier Ratsiraka an-tanindrazana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT