Gaborone : io indray izao no ambentin-dresaka sy fototry ny adihevitra any an-toeram-piasana, eny ambony fiara fitaterana sy eny an-dalambe rehetra eny. Fihaonana no hatao any, izay andrandrain’ny maro fa hahitana vahaolana haramanana izao krizy lavareny izao. Nisy indrindra ny tafatafa niarahana tamin’i Fetison Andrianirina mahakasika izay.
Tia Tanindrazana : Efa nahazo fanampim-baovao ve ianao mikasika ny dia ho any Gaborone ? Iza avy no tokony handeha any ?
Fetison Andrianirina : Raha ny vaovao azo avy amin-dry zareo ao amin’ny SADC dia ho fantatra amin’ity herinandro ity ny daty hanaovana ny fivoriana sy ireo izay handray anjara any. Ireo voakasiky ny famahana ny olana no tokony handeha : ny Ankolafy telo miaraka amin’ireo vondron’antoko izay nanohana ny tondrozotra satria efa natambatr’iny fanaovana rangopohy iny izy ireo.
TT : Izany hoe hanao sonia ve izany no handehanana any araka ny hevitrao ?
FA : Samy milaza izay tiany hahatongavana aorian’ny fivoriana any
TT : Hentitra Atoa Andry Rajoelina nanambara fa izay tsy hanao sonia dia tokony tsy hanelingelina ny firoson’ny tetezamita ho any amin’ny fifidianana. Ny hevitrao ?
FA : Tsy hitako aloha izay tokony hahahentitra azy amin’izany. Izy tenany aloha no tokony horeseny lahatra. Ny fakàny ny fahefana tsy ara-drariny anie no nahatonga an’izao fahasahiranana izao e ! Tokony tsy hohadinoiny fa noho izy no tsy hiarahan’ny fianakaviambe miasa amin’i Madagasikara sy ny vahoaka ao aminy. Ary voafidim-bahoaka taiza moa izy no afaka hilaza fa ny vahaolana heveriny fa mety no hampiainana ny rehetra ? Efa nomena tombony izy tamin’ny faneken’ny rehetra hiara-midinika taminy. Gaga izahay ankehitriny fa toa izy indray no miavona sy sarotra ampiana !
TT : Ahoana izany ny fahitanao ny mety ho vokatry ny fivoriana any
FA : Ny fanirian’Atoa Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy dia izay tsy ahitana fahombiazana any
TT : Fa inona ary izany no tena sakana ho anareo tsy hametrahana ny rafitra tetezamita tena izy ?
FA : Efa nisy zavatra azo iasana tsara naroson’ny mpanelanelana. Ireto zavatra telo ireto ihany no tena zava-dehibe. Raha mbola te handray anjara amin’ny tetezamita Atoa Rajoelina dia tokony hijery ny fitsinjaram-pahefana, ny famoahana an’ireo gadra politika sy ny fifamelana, ny fampodiana an’ireo izay any ivelany, iza ireo afaka milatsaka ho fidina...
TT : Tokony hitera-bokatsoa ho an’ny firenena ve izany i
FA : Raha tsy miova famindra ny mpitondra ankehitriny dia manahy ny tsy ahalavorary ny any
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.