Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena


  • Zoma 13 Mey 2011

Raha araka ny fanehoan-keviny tamina onjam-peo tsy miankina iray teto an-drenivohitra omaly, dia nilaza i Fetison Rakoto Andrianirina avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana fa tokony hiandry izay hambaran’ny SADC amin’ny 20 mey aloha vao manatanteraka ny rodobe ireo izay mikarakara izany

 Ny profesora Zafy Albert moa no mitarika ity Rodobe na Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana ity ary mandray anjara mavitrika ao anatin’izany ny ao amin’ny ankolafy 3 sy ireo izay mpanaraka ny hetsika isan’andro eny amin’ny Magro, miampy ireo olon-tsotra na fikambanana na antoko politika tsy manaiky izao tetezamitan’olon-tokana izao. Raha tsorina ny resaka dia hetsiky ny mpanohitra ity rodobe ity ary hitohy izy io fa tsy hoe hijanona amin’ity herinandro ity ihany akory. Tsy mitovy hevitra ve ny eo amin’ny samy mpitarika ao amin’ny ankolafy 3 ? Nahoana no tsy dia marisika loatra ny amin’ny hanaovana ity rodobe ity mialoha ny 20 mey izao i Fetison Andrianirina, izay anisan’ireo mpitarika malaza sy fantatry ny rehetra ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana, ary tsy mbola namadika palitao aloha hatramin’izao ? Maro ihany no gaga sy talanjona amin’izao tranga izao satria niaraha-nahita fa mitady hangatsiaka ny tolona teny amin’ny Magro noho izy voafehin’ny rindrina efatra.

Ny FAT ihany koa dia efa nanova ny politikany ka nivoaka an’i Madagasikara nitety firenena maro ary mandambolambo ny SADC. Rariny raha manao hetsika misongadina sy an-dalambe ary hitan’ny besinimaro ny mpanohitra, hoy ny mpanara-baovao politika iray. Ho maty momoka ny tolona nandritra ny roa taona raha tsy izany satria rehefa tsy misy mpanohitra matanjaka sy mahazaka vahoaka eto dia tsy manan-tsafidy afa tsy ny manaiky ny fitondrana tarihan’i Andry Rajoelina izao tontolo izao. Misy ihany koa amin’ireo mpanara-baovao politika no mahatsikaritra fa niova paika i Fetison Andrianirina hatramin’ny nivoahany ny fonja, ka nitarihany Komity firaisankina amin’ireo iharan’ny tsindrihazolena, ary raha ny fanehoan-keviny tato ho ato no jerena sy dinihana, araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika iray dia manakaiky ny firesa-dRaharinaivo Andrianatoandro, herintaona lasa izay, mialoha ny namadihan’ity farany palitao.

Mikasika ny dia any ivelany ataon’ny filohan’ny tetezamita dia nanipika ity mpikambana feno ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ity fa tsy tokony handany andro hivezivezy any ivelany mitady fankatoavana ny fitondrana tetezamita fa mandamina kosa aloha ny eto an-toerana, satria na azo aza ny fankatoavana avy any ivelany kanefa tsy misy ny fitoniana ary manjaka ny fifandrafiana dia tsy hisy zava-banona eto. Io ilay fikaroham-bahaolan’ny samy Malagasy. Ho an’i Fetison Rakoto Andrianirina dia raha tsy manaiky ilay sori-dalana ny SADC fa manolotra hevitra hafa dia tokony ho tonga saina ka hametra-pialana avy hatrany i Andry Nirina Rajoelina.

 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT