Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Nihataka amin’ny Ankolafy telo ?


  • Alatsinainy 04 Aprily 2011

Nandeha be ny feo ny herinandro lasa iny fa nihataka tamin’ny ankolafy telo i Fetison Rakoto Andrianirina, ary manomboka tsy hita amina hetsika iombonana izy. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy, araka izao manaraka izao.

Tia Tanindrazana (TT) : Vita iny ny fankalazana ny 29 marsa. Tsy tazana teny Ambohijatovo ianao. Mandeha ny feo fa toa mihatakataka amin’ny Ankolafy Telo ianao ary hita matetika miaraka amin’ny Komity miaro ny ara-drariny. Inona no tena marina ?

Fetison Rakoto Andrianirina (FA): Tsy mijanona ny tolona iarahana amin’ny Ankolafy Telo raha tsy efa tafapetraka ny tetezamita iombonana sy eken’ny maro. Tsy voatery ho tafara-dalana foana anefa ny mpitarika ny hetsika fa tsy maintsy misy ny fifampizana andraikitra. Tokony hianatra sy hahay an’izany izahay tompon’andraikitra. Mifameno ary afaka miara-dalana tsara ny vokatra andrasana avy amin’ny Ankolafy sy ny Fikambanana miaro ny ara-drariny (Solidarité aux Victimes du Non-Droit).

 

TT : Fa inona tokoa moa ny antom-pisian’io Fikambanana Miaro ny ara-drariny io fa tsy mazava loatra ?

FA : Fikambanana tsotra, tsy manao politika, manaraka ny didy hitsivolana 60.133 tamin’ny 3 oktobra 1960. Noho ny fisian’ireo naiditra am-ponja nateraky ny tsy fitovian-kevitra, naratra sy nahazo takaitra noho ny fampiasan-kery, no nitsanganan’izao fikambanana izao. Tsy mijanona amin’izany anefa ny tanjona. Miady sy mampandroso ny zon’olombelona sy mitaiza ny olom-pirenena ho an’ny demôkrasia ary ny fiarovana ny zo fototra maha-olona eto Madagasikara no anjara andraikitra.

 

TT : Inona no maha-samihafa ny fikambananareo mitaha an’ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona marobe efa mijoro?

FA : Olana ara-politka niverimberina nateraky ny tsy fanajana ny zon’olombelona sy ny demôkrasia no nahatonga an’izao fijalian’ny Malagasy izao. Betsaka loatra ny elanelana eo amin’ny lafiny maro misy eo amin’ny mpitondra sy ny hoentina, izay miteraka lonilony eo amin’ny fiaraha-monina. Ny fahafantarana ny fiainan’ireo Malagasy eny ifotony no tombony hananan’ity fikambanana miaro ny ara-dalàna ity. Ny fomba fiasa dia mampahafantatra ny Malagasy ny zony sy mitaiza azy, manao antso amin’ny tompon’andraikitra sy mijery izay fomba rehetra hanitsiana ny tsy rariny.

 

TT : Mihevitra ve ianao fa hisy vokany izao asa ataonareo izao, indrindra manoloana ny zava-misy ankehitriny ?

FA : Hiara-hiasa amin’ireo fikambanana maro mitovitovy tanjona aminay izahay ary hiditra ho mpikambana amin’ireo rafitra eran-tany miaro ny demôkrasia sy ny zon’olombelona. Ho sahy hijoro izahay hanentana ny Malagasy ka hahalalany ny zony, handraisany an-tanana ny fiainany sy ny hoaviny. Vokatry ny fitakianay no nahatonga an’ireo gadra politika maro efa nivoaka, toa an-dry Mamy Rakotoarivelo, ireo Legalista tao Antsirabe, ireo mpitolona tany Toliary. Tsy hijanona eo izahay fa mbola hiady ho an’ireo tena gadra politika. Isaorana sahady ny fiaraha-miasa aterak’izany eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. 

 

TT : Fikambanana tsy manao politika kanefa toa mifandray amin’ny tanjon’izy ireo ihany ny an’ny fikambanana ? Tsy misy hevitra ambadika ve ?

FA : Afaka miara-miasa amin’ny rehetra hatramin’ny mpanao politika ny fikambanana. Azo lazaina ho mpanentana ny asan’izy ireny izy. Rehefa mazava anie ny tanjon’ny tsirairay dia mora ny hahazoana ny vokatra tsara ho an’ny firenena. Isaorako eto ny Escopol Centriste, ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, ireo Ankolafy ary ireo mpanao politika nitaky ny famoahana ny gadra politika. Nahatsapa izy ireo fa antoka iray handravonana an’izao olana goavana izao izany. Aoka ho tadidintsika fa izay mpanenjika ankehitriny dia mbola hoenjehina. Ny tsy hampiainana ny malagasy ny toy izany no tanjon’ny fikambanana.

 
Nangonini Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT