Politique

Fetison Rakoto Andrianirina «Meloka eo anatrehan’ny tantara izay miziriziry»


  • Alatsinainy 02 Mey 2011

Ny raharaham-pirenena ankapobeny, ny amin’izay mety ho tohin’ny fifampidinihana, ny resaka fifidianana. Nisy ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’i Fetison Rakoto Andrianirina mikasika ireo, araka izao manaraka izao. Tafatafa

 Tia Tanindrazana (TT) : Miantso ho amin’ny fifampidinihina ianareo ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana kanefa ny fitondrana tetezamita toa tsy manaiky izany intsony. Ahoana izany ny tohin’ny tolona ?

Fetison Rakoto Andrianirina (FRA) : Dia avela hidina an-dalambe indray hanehoany ny tsy fahafaliany sy hiady indray izany ve ny samy Malagasy ? Tsy misy maniry an’izany. Mialoha ny faha-20-n’ity volana mey ity dia tsara raha mahita vahaolana miainga amin’ny fifanatonan’ny roa tonta dia ny Filoha Ravalomanana Marc sy Atoa Rajoelina Andry. Azo itarina amin’ny vondrona hafa izany avy eo. Izay miziriziry eo dia ho meloka eo anatrehan’ny Malagasy sy ny tantara. Raha tsy izany, izay ho fehin-kevitra havoakan’ny SADC amin’io fotoana io dia tokony eken’ny rehetra. Manana anjara andraikitra goavana ho fampiharana an’izany ny vahoaka Malagasy ary tsy tokony hanaiky intsony.

 

TT : Mitaky ihany koa ianareo ny fanomanana ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra. Inona no tianareo hahatongavana ?

FRA : Marina fa ny fifidianana no lalana ivoahantsika ao anatin’izao korontana izao. Tokony ho fantatra mialoha sy hifanarahana anefa ny hevitra entina eo amin’ny fifidianana, toy ny hoe lalàna fototra manao ahoana no mety amintsika, fa raha tsy izany dia hery very maina fotsiny ny hanatanterahana an’izany. Hiverina foana ny olana. Mba hahalavorary izany fifidianana izany dia ilaina ny mametraka fepetra ho an’izay manolo-tena hitondra ny anjaram-panarenany ho an’ity firenena ity mandritra ny tetezamita toy ny tsy fahazoan’izy ireo milatsaka hofidina. Takiana koa ny famaritana mazava mialoha ireo izay afaka milatsaka ho fidina.  

 

TT : Koa raha izany kosa ary, inona no manakana anareo tsy hanaiky ny fanomanana ny fifidianana mba hiverenan’ny ara-dalàna eto amintsika ? Ny fanjakana rahateo efa namatsy vola ny fanomanana !

FRA : Tsy mety raha izao fitondrana izao no mamatsy vola ny fifidianana. Mba hisian’ny fifampitokisana dia mety kokoa raha ny fianakaviambe iraisam-pirenena no mikarakara izany fifidianana izany mandritra ny tetezamita iombonana. Any aoriana, rehefa tafaverina ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna fototra isika, ka hisy ny fifidianana malalaka sy ara-potoana ary manaja ny lalàna velona, dia isika Malagasy ihany dia afaka manomana izany, amin’ny anaran’ny fiandrianam-pirenena. Ambonin’izany, ny rafitra toy ny CENI dia tokony hahaleo tena tanteraka ary hahitana solontenan’ireo hery politika rehetra, hialana amin’ny ahiahy.

 

TT : Mihevitra ve ianao fa hanaiky izany ny eo amin’ny fitondrana tetezamita ?

FRA : Efa betsaka ireo resy lahatra ankehitriny fa misy tsy mety izao rafitra ampiainana antsika Malagasy izao. Mitsikera ny «Plateforme pour la stabilité» tarihin’Ing. Raharizatovo sy ny namany. Mitsangana ny “Alliance” ivondronan’ireo izay efa nitondra teo aloha toa an-dRtoa Manorohanta, Atoa Imbiky, Atoa Tehindrazanarivelo sy ny namany. Milaza amintsika izany fa na dia ireo olona niara-nitondra tamin’Atoa Rajoelina Andry aza dia samy miaiky fa diso lalana ary mahatsapa fa ilaina ny mamerina an’ity firenena ity amin’ny lalana tokony hizorany. Izao anefa : rehefa tsy ahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena izao fitondrana izao, kanefa mbola te hamikitra eo amin’ny toerany, dia hatahorana hanaotao foana ka mety hampidi-kizo indray ny firenena.

 

TT : Amin’ny fomba ahoana ?

FRA : Tsy maintsy hampiasa hery ary tsy hanaja ny zon’olombelona sy ny demokrasia izao fitondrana izao. Ary rehefa tsy hahita famatsiam-bola dia hivarina ho amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola ivelan’ny rafitry ny Banky na ny Tahirimbola iraisam-pirenena efa nahazatra. Raha sanatria ka izany tokoa dia mila mangarahara anefa ny Malagasy. Tokony hazava sy hambara aminy, ohatra, ny dia rehetra nataon’izao fitondrana izao tany ivelany. Iza no niantoka azy ireny ary inona no antony ? Tena mahasoa ny firenena tokoa ve izany ? Tsy ho sarotiny izy ireo rehefa resy lahatra fa hahasoa azy izany !

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT