Politique

Fetison Berthieu Michel Nanao valin-kafatra an’ny PDS-n’i Vohipeno


  • Talata 01 Martsa 2011

Nanao valin-kafatra ho an’i Marson Pierre, PDS-n’ny Kaominina Vohipeno i Fetison Berthieu Michel, mpanolotsaina monisipaly nametra-pialana tao, tohin’ny fanehoan-kevitra nataon’ny PDS tamin’ny 25 janoary 2011 miresaka azy.

Nambaran’i Fetison fa ny fahatsapany ny tsy fanomezan-danja ataon’ny PDS ny mpanolotsaina voafidim-bahoaka, no nametrahany fialana tamin’ny maha panolotsaina azy teo amin’ny Kaominina Vohipeno. Noraisiny ho ohatra tamin’izany ny fanapahan-kevitra momba ny tsena, ny fampiraharahana amin’ny tanin’ny Kaominina izay fanapahan-kevitra samirerin’ny PDS.  «Efa teny navoakany tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray teto Vohipeno ny hoe : tsy mila mpanolotsaina izany aho fa notendren’ny Fanjakana», hoy i Fetison. Nanamarika ity farany fa tsy izy irery no nametra-pialana fa nisy telo izy ireo, ka raha 07 ny mpanolotsaina : 01 maty (filoha) dia nametra-pialana ny telo. Marihina fa efa maty talohan’io filohan’ny mpanolotsaina io ny Ben’ny tanànan’i Vohipeno sy ny lefiny faharoa.

Nandeha koa ny resaka fa tsy mandoa haba i Fetison. Nahitsy ny tenin’ity farany fa midika ho tsy fahaizan’ny PDS ny asany izany, tokony ho nanao fanadihadiana akaiky izy vao milaza na manao fanakianana, hoy izy. Momba ny resaka vola sandoka nanosoram-potaka an’i Fetison indray dia somary mampihomehy azy ihany. “Raha olon-dehibe sy mpitondra tahaka azy dia tsy tokony hitondra resaka tsy voafehy tahaka izany ? Taiza ny toerana namoriany vahoaka nilazany izany ampahibemaso teto ? Faharoa na Andriamatoa Freddy tompon’ny tranombarotra Chu Chine eto Vohipeno lazainy fa nahatratra izany dia nanambara teo imason’ny vavolombelona (anisan’izany Andriamatoa Ratianarivo Alain Passy dit Sergent Régis) fa tsy nahita izany ary gaga izy fa tokony ho nanontany taminy vao namoaka izany an-gazety”, hoy ity mpanolotsaina nametra-pialana ity.

Raha ny amin’ny fitoriana izay niakaran’ny PDS fampanoavana indray dia “azy ny azy fa tsy misy idirako velively”, hoy i Fetison. “Marina fa ny Comptable ho an’ny Kaominina amin’ny renivohitry ny distrika dia ny Percepteur. Ao ny tokony hiditra sy mivoaka ny volan’ny Kaominina amin’ny alalan’ny Quittance mivoaka avy amin’ny Percepteur. Nilaza anefa izy fa efa za-draharaha amin’ny fitantanana ny Kaominina. Matoky ny fahendren’ny fitsarana izahay”, hoy izy. Nanamarika i Fetison Berthieu fa tsy manana kakay amin’ny maha Marson Pierre Augustin azy ny tenany fa “ny fitantanany ny tanànanay no tsy ankatoavinay ary tsy izaho irery fa miangavy ny fitondrana mba hanao fanadihadiana akaiky io toe-draharaha io”.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT