Politique

Fetison Andrianirina Niantso hampitsaharana ny fanenjehana


  • Zoma 08 Aprily 2011


Nandefa taratasy misokatra ho an’ny minisitry ny fitsarana ao amin’ny governemantan’ny Fahefana avon’ny tetezamita ny fikambanana « Solidarité aux victimes du non-droit » na Firaisankina amin’ireo iharan’ny tsindrihazolena, tarihin’i Fetison Rakoto Andrianirina, milaza fa tsy rariny ny fanaovana fitaovana ireo mpanao fanadihadiana sy ny fitsarana handotoana ka handetehana olona noho ny tondro molotra fotsiny, toy ny raharaha «Radion’ny Gasy» izay nandefasana olona any Tsiafahy, misy koa taty aoriana ireo nenjehina ary notanana am-ponja amina dosie poakaty.

Manana adidy izahay, hoy ny fikambanana hilaza sy hampahafantatra, ary hanameloka izany satria dia tsy hampisy fitoniana fa vao mainka aza hampitombo ny fifandrafesana ary mamboly toetsaina miorina amin’ny valifaty. Nampahatsiahy i Fetison Andrianirina fa ny Vondrona Afrikanina, Vondrona eoropeanina sy ny Amerikanina dia nanameloka hatrany ny herisetra nitranga teto hatramin’ny martsa 2009. Koa nanao antso ny hampitsaharana ny fanenjehana tsy amin’antony, mba hahafahana manorina demokrasia sy ny fifandimbiasam-pahefana tsy misy raorao.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT