“Pohamba said SADC, as well as the Namibian Government, have not recognised the government headed by Rajoelina”, araka ny tatitra nataon’ny gazety “The Namibian”. Izany hoe raha adika tsotsotra dia nanambara Atoa Pohamba, izay filoha namibianina sady mpitantana ny SADC ankehitriny fa tsy mankato ny governemanta tarihin’i Andry Rajoelina na ny SADC na ny governemanta namibianina.
Mazava, araka izany, fa tsy araka ny filazana sy resaka alefa aty Madagasikara, sy ny re tao anatin’ilay fandaharana manokana tamin’ny haino amanjerim-panjakana ny alin’ny alahady 17 aprily teo, fa dia nahazo fankatoavana tamin’ny SADC ny governemanta najoron’ny filohan’ny FAT. Notsipahin’ny SADC, araka izany, ny governemanta tarihin’i Camille Vital satria tsy mifanaraka amin’ny satan’ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC ny fakana fanjakana amin-kery. Notsipihan’ny filoha namibianina rahateo izany nandritry ny fihaonana. Nohamafisiny koa fa tsy miova ny hevitry ny SADC, dia tsy hankato mpanongam-panjakana saingy vonona kosa izy hanampy amin’ny fitadiavam-bahaolana maharitra ka izany no antony hiresahany amin’ireo ankolafy rehetra, ao anatin’izany Rajoelina, araka ny tatitra nataon’ny gazety “The Namibian” ihany.
Niteraka fahoriana ho an’ny Malagasy ny krizy politika ka tokony halamina haingana dia haingana, hoy ihany ny filoha namibianina Hifikepunye Lucas Pohamba. Naneho ny fahavononany hanome tanana ny vahoaka Malagasy ny SADC hisian’ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Nohamafisiny fa ny filoha mozambikanina teo aloha, Joaquim Chissano, no mpitarika ny mpanelanelana iraisam-pirenena. Niantso ny tokony hijeren’ireo mpanao politika ny tombontsoam-pirenena ny filoha namibianina fa hampijanona kosa izay ho tombontsoan’ny antoko, fa hiasa kosa hisian’ny fampihavanam-pirenena sy ny fahatomombanan-toerana ara-politika. Vokany, tokony hialana ny herisetra sy ny ramatahora politika. Ny gazety ‘The Namibian’ ihany moa no namoaka fa hiatrika fifidianana ny Malagasy ny 14 septambra. Hanendrena izay ho eo amin’ny parlemanta sy izay ho filoham-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.