Politique

Feo mandeha Hisy fanonganam-panjakana mialoha ny 05 jona ?


  • Alatsinainy 30 Mey 2011

Mandeha indray ny feo ary manomboka mailo ny andrim-panjakana isan-karazany mahakasika ny fikasana hanongana fanjakana.

 Raha araka io feo io ihany dia miaramila sasantsasany no ao ambadik’izany. Jeneraly iray sy kolonely iray no tena heno fa ao anatin’izany. Mpanao politika izay efa nanana ny toerany teo amin’ny fitondrana tetezamita kosa no voalaza fa mpamatsy vola. Mialoha ny 05 jona izao raha araka ny resaka mandeha no hanantontosan’izy ireo an’izany. Asa raha mifandraika amin’izay vaovao mandeha izay ny fivorivorian’ny miaramila tetsy sy teroa tato ho ato. Asa ihany koa raha misy hifandraisany amin’izany ny fampiantsoan’ny Cemgam ny lehiben’ny Cosofam tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Ary mbola mipetraka ihany koa ny fanontaniana raha misy hifandraisany

amin’izany ny tsy fifankahazoan’ny kolonely roa izay samy miasa ao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra. Feo aloha hatreto no mandeha. Ho hita eo ihany izay mety ho fahamarinan’izany !

 

r.d

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT