Politique

Fehin-kevitry ny Sadc Samy mandrirotra amin’izay mahamety azy


  • Alatsinainy 23 Mey 2011

Fandresen’ny vahoaka Malagasy, hoy ny ankolafy Ravalomanana. Fanekena ny sori-dalana iny, hoy kosa ny FAT sy ireo mpanara-dia azy.

 Santionany amin’izay fomba nandraisan’ny tsirairay iny fehin-kevitry ny Sadc iny ireo. Raha ireo tsy mitovy firehana no tsy mitovy hevitra dia azo heverina ihany satria lojika loatra. Fa raha ireo mitovy ankolafy kosa no samihafa fomba fijery dia mampametra-panontaniana ihany. Raha nilaza manko i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita fa efa neken’ny Sadc ny sori-dalana ka fanerena ireo filohan’ankolafy hafa miziriziry sisa no hatao any Gaborone dia mifanipaka amin’izany koa ny fahitan-dRamakavelo azy, izay mpikambana eo anivon’ny

Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary mpanohana fatratra izao fitondrana izao. Aminy dia midika ho fiverenana an-databatra boribory iny fehin-kevitra iny. Ambaran’ity jeneraly misotro ronono ity àry fa dia mety hitondra olana vaovao indray izany. Dia andrasana, araka izany, ny ho vokatr’io fihaonana io. Ny filoha Marc Ravalomanana moa dia efa naneho ny fahavononany hiatrika ilay fihaonana. Izany rahateo moa no efa notakian’izy ireo hatrany am-piandohana. I Andry Rajoelina kosa dia nilaza hiandry fanasana ho azy manokana amin’ny anaran’ny maha-filohan’ny tetezamita azy (?).

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT