Niala tamin’ny fahanginany ny Fiangonana FJKM taorian’ny tatitra an-gazety sy ny navoakan’ny haino aman-jerim-panjakana sy tsy miankina vitsivitsy teto an-drenivohitra.
Niainga avy amin’ny fampitam-baovao nataon’ny seraseran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita manodidina ny famotorana momba ny raharaha Radion’ny Gasy ny raharaha. Nolazaina fa niaiky izany Rtoakely Tantely, tompon’andraikitry ny TOPAZA (Toeram-panabezana zaza) eny Ambohimitsimbina eny izany fa ny Pastera Lala Rasendrahasina (filohan’ny FJKM sady filoha am-perinasan’ny FFKM) no niantso azy, ka nanome alalana ny hampiantrano ny « Radion’ny Gasy » ao amin’io toerana io. Namory mpanao gazety tao amin’ny Foibe FJKM ny Foibe FJKM notarihin’ny filohany, Lala Rasendrahasina, mpitandrina. Tamin’izany no nilazan’ity farany fa fanalam-baraka tsotra izao ny fiangonana sy izy tenany manokana izao zava-mitranga izao. Rehefa izay dia nitondra fanazavana ny tenany, fa niala teto Madagasikara izy ny 11 febroary 2011 nihazo an’i Genève (Soisa) nandray anjara tamin’ny Filankevitry ny fiangonana eran-tany, andiany faha-81, ny 16 ka hatramin’ny 22 febroary, amin’ny maha mpikambana ny FJKM amin’io rafitra io. Talohan’izay dia nitsidika sy nampahery ireo Malagasy amin’ny fiangonana protestanta any Frantsa ny tenany.
Ny 23 febroary izy no niverina an-tanindrazana ary io andro io ihany dia nihazo avy hatrany an’i Toamasina niatrika indray ny fivoriamben’ny Komity protestanta (FFPM), izay tsy nifarana raha tsy ny alahady 27 febroary ka ny alatsinainy 28 febroary izy no niakatra teto Antananarivo. Tao anatin’izay fotoana tsy naha teto an-toerana azy izany anefa no nitranga io raharaha “Radion’ny Gasy” io, izay mahagaga azy tanteraka ny hoe mahavoarohirohy azy anatin’izany, araka ny hoe : filazana nataon’io vehivavy io. Nambaran’ny filohan’ny FJKM fa ny 22 desambra 2010, nandritra ny noelin’ny Akany ka namangiany tao no nifankahitany tamin’io Rtoa kely izay Tale ao. Tany amin’ny volana oktobra 2010 ny talohan’izay, hoy izy tsy nanafina.
Ny amin’ny filazana fa nanome alalana hampiantrano ny “Radion’ny Gasy” dia mazava ny rafi-pitantanana eo anivon’ny fiangonana FJKM, hoy izy, fa samy tompon’andraikitra amin’ny asa nankinina taminy ny tsirairay ka andraikitra manontolon’izay nampiantrano ny amin’io, fa tsy nisy nanome baiko izany. Tsy nihambahamba ny filohan’ny FJKM nilaza, fa misy mizana tsindrian’ila eto. “Satria ve voatonontonona ny FJKM dia omen-danja ny fiekena na filazana ataona voampanga. Fa maninona no tsinontsinoavina ny hafa, toy ny fiekena nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina sy ny jeneraly Rakotonandrasana Noël, izay nahoraka an-gazety sy tamin’ny Internet ary niparitaka eran’izao tontolo izao ?”, hoy Rasendrahasina, izay mbola nanao fanamarihana ihany koa fa tsy voahaja ny tsiambaratelon’ny famotorana sy ny zon’ny voampanga ao anatin’ity raharaha ity ka miteraka fanalam-baraka.
Tsy azo atao ny miteniteny foana ny fiangonana, koa dia malahelo ny fiangonana eo anatrehan’izany, hoy izy. Ny amin’izay mety ho fiantsoana azy hatao famotorana dia tsy manda izany ny tenany. Momba ny amin’izay ho hetsika hataon’ny fiangonana raha toa ka hiafara amin’ny fitanana azy am-ponja izany, dia nambaran’ny pastera Rasendrahasina Lala, mazava fa “ny fiangonana dia tsy mitaona olona hidina an-dalambe. Ny fiangonana dia tsy maintsy milaza ny zavatra marina”.
Ho an’ny mpanara-baovao dia famakiana ady amin’ny FJKM tsotra izao ity ataon’ny FAT ity. Rafitra eo ambany fiadidian’ny FAT rahateo no mandray an-tanana ity “Radion’ny Gasy” ity, izay mahagaga ihany moa hoe : lasa mpanao famotorana koa angaha izany DST izany fa tsy atokisana angaha ny borigady misahana heloka bevava, eo anivon’ny zandary sy polisy ? Ny loharanom-baovao samihafa koa anefa no mitatitra fa kendrena mihitsy izay haminganana ity filohan’ny FJKM ity, fa hoe mifandray tendro amin’Atoa Marc Ravalomanana, ity farany rahateo filoha lefitra amin’io fiangonan-dehibe misy mpino telo tapitrisa any raha eto Madagasikara. Tranga tsy vao izao io faminganana io fa efa hatramin’ny 2009 ary nibaribary tamin’izany ny teny amin’ny Episcopat Antanimena ny 17 martsa 2009. Niharan’ny herisetra mihitsy Rahasendrahasina tamin’io. Niverina ary nitombo io fankahalana io taorian’ny komity foibe FFKM natao tany Toliara ny desambra 2010, ka nahatonga azy handray an-tanana ny fitarihana ny FFKM indray. Tamin’izay dia nisy vazaha Frantsay niloa-bava fa tafiditra anaty vela-pandrika ny pastera Lala Rasendrahasina ary dia hihozongozona amin’ny toerany izy. Mety ho ao anatin’izany paipaika izany avokoa izao zava-mitranga ankehitriny izao, izay karazana kendritohina ihany mba haminganana azy. Dia ho hita eo ny tohiny !
Sary : “Ny fiangonana dia tsy maintsy milaza ny zavatra marina”, hoy Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.