Politique

Faritra Atsinanana Aotra ny fampiasam-bola ny taona 2010


  • Talata 25 Janoary 2011

Nisafidy ny zoma teo ny faritra Atsinanana nanaovana ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2011.

Raha ny Lapan’ny Faritra hatrany no nandray ny lanonana hatramin’izay, niova izany tamin’ity ka ny trano fisakafoanana “le bateau ivre” no nanatanterahana azy sy nanomanana alim-pandihizana, hany ka raha misandratr’andro ny fety taloha dia niova ho ny faran’ny tolakandro nitohy mandrak’alina izany tamin’ity. Nandritra ny lanonana no nanaovana tatitry ny asa vita ny taona nivalona. Tsy nisorona ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Atsinanana nilaza fa «aotra ny fampiasam-bolan’ny faritra ny taona lasa iny. Tsy nisy ny vola nentina nampiasaina. Nionona tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny 3P fotsiny sisa». Ny lehiben’ny Faritra Alain Mahavimbina, indray nilaza fa na teo aza io tsy fisian’ny vola io dia «tsy nanadino ny lafiny sosialy izay tena niompanan’ny asa natao izahay”. Tratra avo roa na telo heny ny tanjona napetraka ny taona lasa teo amin’ity ara-tsosialy ity. Ny betsaka tamin’izany dia ny fanampiana ireo traboina ny hain-trano.

Ny tanjona ny taona 2011 kosa, dia napetrak’i Alain Mahavimbina fa «ny fanohizana ny fanatsarana ny sosialy sy fampijanonana ireo asa tena mavesatra sy tsy mifanaraka amin’ny filana». Mbola mitohy ny tsy fisian’ny fampiasam-bolan’ny Faritra, noho ny fidiram-bolany mamelona ny fanjakana FAT foibe. Ankilan’izay, dia nambaran’ny lehiben’ny Faritra hatrany fa «fanatsarana sy fanamafisam-piaraha-miasa amin’ny any ivelany koa ny taona 2011». Hisy ny fahatongavan’ny ARF na ny Fikambanan’ny Faritra frantsay, izay ahitana delegasionina 22 amin’ity herinandro ity, hizaha ny fiaraha-miasa azo atao sy hifanampiana. Nohavaozina rahateo ny «Maison Rouge», natao ho biraom-pifandraisana amin’ny any ivelany. Ankoatra izay, nolazain’i Alain Mahavimbina koa fa «tsy maintsy ho vita ao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona ny biraon’ny Kaominina manara-penitra ao Masomeloka Mahanoro», ny volana martsa 2011 no kasaina hotokanana izany.

 
Rakoutou
 

Sary : Nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona tao amin’ny “Le Bateau Ivre” Toamasina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT