Politique

Faritra Anosy Hametra-pialana i Guy Venance ?


  • Alatsinainy 18 Aprily 2011

Raharaha mbola mitana ny sain’ny maro ao Tolagnaro ny disadisa misy eo amin’ny Lehiben’ny Faritra Anosy, Randriantefiarison Guillaume Venance na i Guy Venance, sy ny filohan’ny delegasiona manokana na PDS-n’ny tanànan’i Tolagnaro, Zafinandro Armand.

Taorian’ny fanadiovana ny lalam-pihariana hazo nataon’ny Faritra izay niafara tamin’ny fahatrarana bolabola na «bois de rose» sy voamboana an-jatony, ary koa ny nahasamborana olona telo, no nampipongatra ity raharaha ity. Araka ny fantatra dia nisy ny fampifanatrehana mivantana azy roalahy ireto nandritra ny fandalovan’ny delegasionin’ny governemanta notarihin’ny minisi-panjakana miadidy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Rakotoarison Yves Aimé, raha nanao fitsidiham-paritra tany an-toerana ny alakamisy lasa teo, heverina fa handaminan-draharaha. Tamin’izay, araka ny loharanom-baovao, no niditra an-telefaonina nivantana ny minisitry ny atitany, Rakotoarison Florent, izay sady zanaky ny Faritra Anosy no lafin-kavan’ny minisitra Yves Aimé rahateo. Nanelanelana izy nefa koa nilaza ny handray fepetra raha tsy hifandamina sy vonona hiara-kiasa ireto olom-boatendry roa ireto, dia ny lehiben’ny Faritra sy ny PDS. Tao anatin’izay no nivoaka ny resaka fa handefitra amin’ny maha zokiolona azy ny Lehiben’ny Faritra ka hametra-pialana. Mijanona ho am-bava io sa hotanterahina tokoa ? Miandry izay ho fivoaran’ny raharaha ny any an-toerana, satria raha misy tokoa izay dia io izany no fametraham-pialana nataona lehiben’ny Faritra voalohany, tao anatin’izay roa taona nanendren’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita azy ireo izay. Na dia nitaky ny fanesorana azy ireo amin’ny toerany, ka tokony hovana administratera sivily aza ny mpizaika tamin’ny fihaonambem-pirenena ny volana septambra 2010.

 
Nangonin’i Jean D.


Encadré 

 

Nananosarotra ny fanendrena an-dRandriantefiarison Guillaume Venance ho Lehiben’ny Faritra Anosy. Tamin’ny fanendrena fanintelony sady farany izy vao voatendry, niaraka tamin’ny kolonely Namany Belone (Atsimo Atsinanana), Bezara Romuald (DIANA), Alain Mahavimbina (Atsinanana) ary i Abdillah (SAVA) araka ny didim-panjakana 2009-722 tamin’ny 25 mey 2009.

 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT