Tonga eo amin’ny fitantanany firenena anefa izao ity Ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha ity, dia samy manontany tena ny maro hoe : inona marina moa izany ny zavatra niova teto ? Matoa mantsy manova dia miala amin’ny zavatra iray ka miampita any amin’ny tsaratsara kokoa, fa tsy hoe miova mankany amin’ny ratsy kokoa. Raha tena mandinika tsara amin’ny saina tsy miangatra anefa dia mahita mibaribary fa vao mainka nidi-kizo ny firenena, sahirana ny Malagasy, nitombo ny tsy an’asa sy ny mahantra, niakatra ny vidin’ny solika, grevy etsy fitokonana eroa. Samy milaza izay tiany sy manao izay maha diavolana ny fony ny tsirairay, maro be ny fandikan-dalàna, mitombo izay tsy izy ny asan-jiolahy sy ny vono olona, ny mpanao afera. Ny manampahefana ao anatian’izany rehetra izany, na dia eo aza ny fanambarana nivoaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra fa hoe hifehy kibo dia ireny manao miara-mirona ireny, tsy eto an-toerana tsy mankany ivelany. Ny mpampianatra dia manamafy fa tena miha tsy mahay ny zaza Malagasy ary ahiana mihitsy ny hoavin’ny fampianarana eto.
Ilay minisitra vaovao koa moa dia voalaza fa mampiditra ny resaka politika ao amin’ny fampianarana. Izao marina ve ilay fiovana nandrandrain’ireo tsy nankasitraka ny fitodrana teo aloha ? Milamina tsara avokoa ve amin’izao fotoana ny fiainan’ireo nilahatra teny amin’ny 13 mey sy teny Ambohijatovo nanohana ny hetsiky ny TGV roa taona lasa izay ? Tsia avy hatrany ny valin’izany satria efa raikitra ny ady an-trano eo amin’ireo milaza azy fa samy nanohana izao fitondrana tetezamita izao. Toa tsaroana etoana ny nambaran’Atoa Ravalomanana hoe : «ny toe-tsaina mihitsy no mila miova amintsika Malagasy raha te hivoatra sy handroso marina isika ». Ny rehetra no voakasik’io fanovàna ny toe-tsaina io, izany hoe ny mpitondra, ny mpanao politika, ny mpiasa amin’ny sehatr’asa rehetra na miankina io na tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo herivelona mandray anjara mivantana na an-kolaka amin’ny fiainam-pirenena.
Ny toe-tsaina no mila miova fa tsy hoe rehefa miova akory ny mpiondra dia milamina sy mirindra ny fiainana ary lasa manankarena daholo ny olom-pirenena rehetra. Raha ny zava-nisy tato anatin’izay roa taona sy roa volana izay anefa dia tena mbola lavitr’izany fiovan’ny toe-tsaina izany ireo milaza azy ho mpitondra sy ireo maro be midedaka fa mpanao politika manan-kevitra. Tsy mahagaga raha miraviravy tanana ihany koa ny vahoaka ka zary mionona amin’ny kely ananany fa tsy manana ny herin-tsaina sy fahavononana hiakatra any amin’ny tsara kokoa intsony.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.