Politique

Fanonganam-panjakana Hay tsy fady indray …


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Mizotra tsimoramora ihany ny lalan’ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina, ary na ny sori-dalana navoakan’ny mpanelanelana iraisam-pirenena aza dia manomboka manome vahana sy manome rariny azy.

Ka eo indrindra no manitikitika ny maro hoe, fa inona no zavatra nitranga ka nahatonga izany fiovan’ny fomba fijerin’ny mpanelanelana izany ? Nosokajiana ho mpanongam-panjakana i Andry Rajoelina nandritra ny roa taona. Raha vao nisy ny filazany fa fandraisam-pahefana ny 17 martsa 2009 dia tsy niandry ela fa nilatsaka avy hatrany ny fanamelohana io fanonganam-panjakana io avy amin’ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena tahaka ny SADC, ny vondrona Afrikanina, ny OIF, ny Firenena Mikambana, ny vondrona Eoropeanina, nolazaina tamin’izany fotoana fa mbola i Marc Ravalomanana no filohan’ny Repoblika, ary ilaina ny fiverenana amin’ny ara-dalàna ka noho izany tsy maintsy atao ny fifampidinihana eo amin’ireo ankolafy nosokajiana fa manana ny maha izy azy amin’ny fiainana ara-politikan’ny firenena, dia ankolafy 4 moa no niaingan’ny dinika tamin’izany.

Ho an’ny ankolafy Ravalomanana manokana dia tsy nitsahatra mihitsy nampiseho ny heriny tamin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka sy ny fanehoan-kevitra izy tao anatin’izay roa taona izay ary samy nahita, na ny teto an-toerana na ny tany ivelany fa tena mbola mahazaka vahoaka i Marc Ravalomanana na dia sy eto an-tanindrazana intsony aza. Ary tena maro no resy lahatra fa noho izay no antony nanakanana ny fiverenany eto, satria mety hiova tanteraka mihitsy ny toe-draharaha raha tafiditra eto i Dada ka dia hirodana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny fahefan’ny FAT.

Rehefa nandeha teny moa ny andro sy ny volana dia tsikaritra fa misy ny tetika tena efa maty paika hanilihana tsimoramora ity filoha teo aloha ity, fanilihana amin’ny alalan’ny taratasy sy ny lalàna ka atomboka amin’ilay sori-dalana izy io, raha ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy, ka tanjona ny hijanonan’Atoa Ravalomanana maharitra any ivelany mba tsy hahafahany milatsaka hofidiana filoham-pirenena, mety ho noho izay ihany koa no hihazakazahana amin’ny fikarakarana fifidianana araka ny fanehoan-kevitra nivoaka tato anatin’ny roa volana teo izay. Ao anatin’izany rehetra izany dia asandratra ho filohan’ny tetezamita ary lazaina fa tsy manan-tsiny sy nosafidian’ny vahoaka i Andry Rajoelina, ary dia manaraka azy avy ato aoriana avokoa ireo rehetra nanonofy hahazo fahefana efa hatry ny ela saingy tsy nety nahita rirany tamin’ny fitondrana teo aloha. Feno sangodimpanina ny tontolo politika ary ahitana sinema isan-karazany, ary ny hita aloha dia efa manomboka manana traikefa amin’izany mihitsy ny FAT ary mahay mitady ny hevitra hampanjakana ny heviny na iza faly, na iza tezitra.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT