Politique

Fankatoavana Nanitsy an-dRtoa ministra ny ambasadaoro tiorka


  • Zoma 08 Aprily 2011

Noraisin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, Yvette Sylla teny amin’ny toeram-piasany teny Anosy, omaly, ny ambasadaoro Tiorka miasa eto amintsika, Atoa Eicümend Ahmet.

Nitondra ny fanasana avy amin’ny fitondram-panjakana Tiorka ho an’ny fanjakana malagasy momba ny fivoriana faha-4 ny firenena mahantra izay atao any Istanbul ny 9 ka hatramin’ny 13 mey izao ity diplaomaty ity. Nohaharaotina niresahana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta koa anefa io fihaonana io. Marihina fa tsy mbola misy hatreto ny lalàna mamaritra izay fiaraha-miasa eo amin’i Torkia sy Madagasikara araka ny nambaran’ity diplaomaty ity. Nambarany anefa fa vonona hanampy antsika ny fitondram-panjakana Tiorka. Ho avy eto afaka herinandro vitsy ny tale misahana ny fifandraisana Tiorka hijery izay hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena, hoy kosa ramatoa minisitra. Na izany aza dia manana tetikasa vitsivitsy hatomboka tsy ho ela ry zareo Tiorka, anisan’izany ny fananganana ivotoerana mampianatra asa tanana hatsangana eny amin’ny 67ha izay. Marihina fa haondrana any ivelany avokoa ny vokatra amin’izany mba hahatsara ny vidiny.

Ankoatra io dia hisy mpitsabo Tiorka maro koa hamita iraka ara-pahasalamana eto amintsika. Eo amin’ny lafiny ara-politika dia nanamafy i Yvette Sylla fa hanampy antsika amin’ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena i Torkia. Nahitsin’ingahy masoivoho avy hatrany anefa izany fa tsy miditra amin’ny resaka politika ry zareo fa ny fifandraisan’ny samy vahoaka no tanjony. “Tsy miditra amin’ny raharahan’ny Malagasy izahay fa efa eo ny SADC miandraikitra ny fanelanelanana sy mitady vahaolana”.

 
Yves
 

Sary : Fihaonana teo amin-dRtoa Yvette Sylla sy Atoa Eicümend Ahmet

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT