Nahitsy tenin’ny Printsy Elakovelo omaly raha naneho ny heviny mikasika ny dian-dry Andry Rajoelina tany Namibia sy Mozambina farany teo.
“Zéro ny vokatra”, raha ny hahazoana fanakatoavana iraisam-pirenena no anton-dian-dry zareo tany, hoy izy. Nampiany fa «aza manantena izany raha tsy eo ireo filohan’ny ankolafy telo”. Nanterin’ity olon’ny Arema mafana fo, ary anisan’ireo mpandray fitenenana amin’ny anaran’ny ankolafy Ratsiraka ao amin’ny Magro Behoririka ity fa mila avitrana aloha ny fihavanan’ny Malagasy ka ampanjakaina ny tena fifankatiavana sy fifandeferana, araka ny soatoavina tena malagasy. Noraisiny ho ohatra ny Ankolafy 3 izay mitambatra hatramin’ny farany hanavotra an’i Madagasikara sy hanala ny Malagasy amin’izao krizy izao. Ankoatra izay dia nanao antso amin’ny tafika ny tenany, mba hamela ny vahoaka hiteny sy haneho hevitra malalaka tahaka ny miseho any ivelany ireny.
Fa tsy niandry ela koa ny valin-kafatry ny Printsy Elakovelo taorian’ny fanehoan-kevitry ny Printsy vavy Yasmine avy any Besalampy, nilazan’ity farany fa tsy nisy fifampierana na fivoriana nampahafantarana sy niaraha-manapaka izay hatao akory teo amin’ireo samy Tangalamena, Sojabe, Zanakandriana sy ny Ampanjaka, kanefa dia ireny no zava-miseho, ka nahatonga ity Printsin’i Besalampy ity nisafidy ny hanaja tena. «Aoka hazava ny resaka !», hoy ny Printsy Elakovelo, fa olon’i Voninahitsy Jean Eugène, manao politika io olona io, ary mpanohana ny fitondran’i Andry Rajoelina. Ny fikambanan’ny Tangalamena, Sojabe, Zanakandriana sy ny Ampanjaka, mpitazona ny fomban-drazana, hoy ihany ny fanamarihan’ny Printsy Elakovelo dia tsy mbola nilaza fa manohana izao fitondrana izao, ary tsy hilaza izany mihitsy koa, fa mijoro ho Raiamandreny, hampihavana hamitrana indray ny fiarahamonina nosamatsamahan’ny politika ka hampanjaka ny soatoavina malagasy. Aoka hazava ny amin’izay mba tsy hisian’ny fifandisoan-kevitra, hoy ihany ny Printsy Elakovelo.
Sary : Printsy Elakovelo (sary : Rakotobe Michel)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.