Ny nanambarana ny fijoroan’ny governemanta sy nampahafantarana ireo mpikambana ao anatiny no ela dia nanao ranolava ny fanehoan-kevitra izay miendrika valin-kafatra avy amin’ireo antoko sy ankolafy politika misy eto nanomboka ny sabotsy 26 martsa.
Ny andron’io ihany ny filoha Marc Ravalomanana dia nilaza tamin’ny teny hentitra sady feno fahatokisana fa “tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany io governemanta io”. Ny zava-misy koa aloha hatreto, 48 ora aty aoriana, tsy mbola nandrenesana fankasitrahana na fiarahabana tamin’ny fijoroan’ity governemanta ity, avy amin’ny firenena vahiny. Niditra nivantana tao amin’ny Ma-Tv, fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra, izy ny harivan’io sabotsy 26 martsa io. Nampahatsiahiviny fa tsy nanao sonia ny rangopohy, ambara fa fototra hananganana governemantan’ny fampiraisam-pirenena, ny Ankolafy telo. Midika izay fa mbola ao anatin’ny dinika fikatsahana vahaolana hivoahana amin’ny krizy isika nefa dia nihazakazahana ny fananganana io governemanta io.
Nambarany mazava fa tsy manaraka fenitra iraisam-pirenena ny fomba nitondran’ny Dr Simao ny fanelanelanana teto. Ankoatr’izay dia nolazain’Atoa Ravalomanana fa tokony hanao tatitra eo anoloan’ny Troïka mandritra ny fivoriana hatao amin’ny 31 martsa izao ny Dr Simao ary hilaza mazava fa mitsipaka iny zavatra narosony iny ny ankolafy telo. Nambarany fa nisy fihaonan’ny delegasiona avy amin’ny ankolafy telo niaraka tamina diplaomaty tao ministeran’ny raharaham-bahiny afrikanina tatsimo ny zoma teo, ka nivoitra tamin’izany fa na ny vahiny aza nahatsapa fa tsy vonona ny hifampidinika ny mpitondra ankehitriny. Fa nasian’ny Filoha Marc Ravalomanana resaka koa ny mikasika an’i Mamy Rakotoarivelo, lehibe mpiara-mitarika ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fifampidinihana atao eto an-toerana handaminana ny krizy nefa dia tazonin’ny DST an-tranomaizina efa ho tapa-bolana izao. Hentitra izy nitaky ny hamoahana tsy misy fepetra azy sy ireo rehetra nogadraina noho ny antony politika. Mikasika ny fanendrena ministra ao anaty governemanta indray dia nahitsy ny teniny nilaza fa sady tsy manaja ny fifandanjam-paritra ny fanendrena natao, no tsy mendrika ary tsy sahaza ny toerana anendrena azy ny ankamaroany, ka nohamafisiny fa tsy maintsy governemanta ifanarahana no afaka hikarakara fifidianana madio, mangarahara sy malalaka, fa raha io najoro io dia tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena akory.
Rehefa izay dia niantso ny Vahoaka hiray hina hatrany sy hanana faharetana ny tenany. “Tsy amelantsika raha tsy tafaverina ny ara-dalàna”, hoy izy. Nanamafy izay voalazany ireo nifandimby nandray fitenenana tao amin’ny Magro ny sabotsy teo, toa an’i Manandafy izay nampahatsiahy fa hivory ary hanapa-kevitra ny SADC amin’ny 31 martsa ka “tsy hahazo fankatoavana ireo na inona na inona”. Mbola hentitrentitra noho izay ny filazan’ny Pr Zafy azy fa “lany andro ny FAT ka resaka amboletra sisa” no ataony. I Yves Aimé Rakotoarison, minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, moa nilaza fa hiady mafy hahazoana io fankatoavana iraisam-pirenena io, ka dia ho hita eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.