Miteraka resabe ny tsy mbola nanitarana ny andrim-panjakan’ny tetezamita.
Tratry ny andraso aloha sy ny ampitso lava ireo manantena hiditra anaty rafitra. Hita taratra koa anefa ny tsy fifampitokisana eo amin’ireo olon’ny FAT sy ireo nanao rangopohy ny tondrozotra teny Ivato. Raha tsiahivina dia niara-nanao rangopohy ny tondrozotra naroson’ny SADC ny mpanao politika maro teto Madagasikara ny 09 martsa 2011. Araka io tondrozotra io dia niarahana nanapaka fa hapetraka ao anatin’ny fotoana fohy ny Andrim-panjakana iaraha-mitantana. Efa nampiharina izany tao amin’ny Governemanta. Raha araka ny nifanarahan’ireo mpanao rangopohy iny tondrozotra iny, sady voarakitra ao anatiny rahateo, dia ny fanitarana ny andrim-panjakana hafa CST, CT, CENI … indray no tokony ho natao.
Mahavaka ny sain’ny maro anefa ny zava-misy satria niroso avy hatrany amin’ny fivoriana ara-potoana, ambara fa voatondron’ny lalampanorenana, ny CST sy ny CT, ary handinika ny lalàna momba ny fifidianana sy ny famotsoran-keloka, izay lahadinika tokony hodinihin’ny Antenimiera vaovao no hitarina. Izany zava-misy izany anefa dia mifanohitra tanteraka amin’izay nosoniavina ny 09 martsa 2011 teny Ivato. Mihevitra ireo nanao rangopohy ny tondrozotra teny Ivato ary manaitra ny sain’ny mpitondra fanjakana, fa tsy hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena, izay fototra nijoroan’ny fanaovan-tsonia teny Ivato, izao fanapahan-kevitry ny fitondrana izao ary mety hiteraka korontana eto amin’ny firenena, satria hitarazoka ny tetezamita izay efa tsy zakan’ny vahoaka Malagasy intsony. Tokony hijery akaiky izao toe-javatra izao ny mpitondra fanjakana, hoy izy ireo, ary hanao izay hanatanterahana ao anatin’ny fotoana fohy ny fananganana ny Andrim-panjakana rehetra mba hahatanteraka ny fiaraha-mitantana tena izy. Izany dia mba ny hisian’ny fifidianana mangarahara ary ho eken’ny vondrona iraisam-pirenena hahatomombana ny fananganana ny repoblika fahefatra izay imatimatesantsika rehetra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.