Politique

Fanesorana an’i Organčs Nahafaly ny ankamaroan’ny Polisy


  • Alarobia 30 Martsa 2011


Re fa dia maro ireo tao amin’ny polisim-pirenena no faly tamin’ny nanesorana tamin’ny toerany ny ministry ny filaminana anatiny Organès Rakotomihantarizaka. Araka ny nambaran’ireo polisy sasany mantsy dia tia sehoseho loatra, indrindra tamin’ny haino aman-jery sy ny gazety izy, izay fihetsika tsy dia tokony hataon’ny manampahefana mpanao fanadihadiana loatra, satria mazàna dia mitarika any amin’ny fanamparam-pahefana. Iny eo ihany fa ny tsy dia levon’ny vavonin’ny tao amin’ny polisim-pirenena hatrany am-piandohana dia i Organès Rakotomihantarizaka izay sady manamboninahitra ambony ao amin’ny polisim-pirenena no mpiandry niaraka tamin’ny olona nitondra fitaovana ka nanapitsoka sy namoha ireo vavahady sy varavarana tamin’ny birao fiasana teny Anosy, nandritra ireny nampamavaivay ny hetsiky ny TGV tamin’ny martsa 2009 ireny.

Fahendrena tamin’ireny fotoana ireny ny nipetraka sy nitazana fotsiny satria mety ra mandriaka raha tena nanakana sy mpamaky birao izahay, hoy ireo polisy sasantsasany tezitra tamin’ireny tranga ireny. Natao mangingina omaly hariva ny famindram-pahefana teo amin’i Organès Rakotomihantarizaka sy Ranaivoson Dieudonné mpandimby toerana azy.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT