Politique

Fanendrena Praiministra Be mpiresaka i Tantely Andrianarivo


  • Zoma 04 Martsa 2011


Manoloana ny fikatsoan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao dia misy ny tolo-kevitra avy amin’ny firehana Rajoelina ny hanendrena olon’ny amiraly. Efa nisy mihitsy araka ny loharanom-baovao ny fiantsoana ny amiraly tamin’izany saingy tsy mbola nanome ny valin-teniny izy. Ny praiministry ny amiraly teo aloha, Tantely Andrianarivo no fantatra fa irin’ny firehana Rajoelina amin’izany.

Tantely Andrianarivo anefa, araka ny loharanom-baovao samihafa, dia nilaza fa miandry ny fanapahan-kevitry ny amiraly. Ho hita eo izay tohin’ity resaka ity fa ny eny Ambohitsorohitra dia efa dodona mafy amin’ity fanendrena ity. Etsy andaniny ny praiministry ny FAT amin’izao fotoana izao dia tsy manisy olana loatra amin’ny fanalana azy araka ny tsiliantsofina. Na izany aza nametraka ny tenany fa tokony homena toerana sahaza azy aorian’izany. Ho hita eo ny tohiny.

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT