Vita hatreto ny tombantombana, tapitra ny ankijijy, nohamafisin’i Andry Rajoelina amin’ny toerana maha praiministra azy ny Jeneraly Albert Camille Vital.
«Nandinika lalina ny tenako, namakafaka, naka ambony, naka ambany, nijery ny lafiny tsara sy ny lafiny ratsy rehetra, fa indrindra ny tombontsoa avon’ny Firenena, dia niompana tany amin’Andriamatoa Jeneraly Albert Camille VITAL ny safidy», hoy ny filohan’ny FAT omaly tao Ambohitsorohitra. Ny azo antoka dia tsy maintsy nandray io safidy izy ho fiarovana ny sezany sy ny tenany. Ankilan’izany, tapitra amin’ity 17 martsa ity koa ny tetezamin-dRajoelina. Tsy misy valaka amin’izay nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny septambra 2009, nitazona an’i Monja Roindefo ho praiministra ary naniraka ity farany hanangana governemantan’ny firaisam-pirenena izy ity.
Nampiditra an-dry Manorohanta Cécile, Alain Andriamiseza, Pr Alain Tehindrazanarivelo … tao anaty governemanta izy ireo mba hanomezana endrika ny fisokafana, saingy tsy nety nahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany. Hanara-dia azy iny ity in-dray mitoraka ity ary vao mainka mikatso ny raharaham-pirenena, noho izy efa nandika sahady ilay sori-dalana vita rangopohy teny Ivato. Olona efa notendren’i Andry Rajoelina ary nanaiky hiara-kiasa taminy nandritra ny 15 volana i Camille Vital. Iray lasitra tamin’ireo 109 nosokajian’ny filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina ho sakana tamin’ny ezaka natao hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara izy, ary voasazy noho izany. Miandrandra ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena moa i Andry Rajoelina aorian’izao fanendrena ka hirosoana amin’ny fananganana governemanta izao, ka ho hita eo.
Nanaitra rahateo ny filazany fa “efa ao anatin’ny Repoblika fahefatra tanteraka isika ankehitriny satria efa mipetraka ny lalàmpanorenana”. Mazava eto fa noraisin’ny FAT ho fankatoavana ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin’ny 17 novambra 2010 nifidianana lalàmpanorenana ilay sori-dalana natao rangopohy teny Ivato tamin’ny 9 martsa 2011. Mbola tantara hafa anefa ity raha ny fahitana ny akon’ny dian’ny delegasion’ny Ankolafy telo tarihin’ny filoha Marc Ravalomanana any Zambia sy Botswana any.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.