Politique

Fanelanelanana amin’ny krizy “Aoka aloha !”, hoy Rasendrahasina Lala, Mpitandrina


  • Alarobia 11 Mey 2011

Nanamafy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan’ny Fjkm sady filoha am-perinasa mitarika ny Ffkm, fa efa tena maro be ireo olona na vondron’olona na fikambanana tsy miankina niantso ny Ffkm mba hiditra an-tsehatra amin’ny famahana ny krizy sy ny fanelanelanana satria hita fa mikatso ny raharaha ary miha sahirana hatrany ny firenena.

 Nanipika mazava anefa ity mpitandrina ity fa tsy baikon’ny mpanao politika na ny eo amin’ny fitondrana izany na ny mpanohitra, na vondron’olona na antoko na fikambanana velively ny Fiombonamben’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara fa kosa baikon’ny feon’Andiamanitra ary tsy maintsy mijoro milaza ny tsy rariny sy ny tsy marina ary mitory ihany koa ny tenin’Andriamanitra amin’ny rehetra. Ekena mihitsy, hoy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina fa sahirana ny eto Madagasikara amin’izao fotoana ary tena mihodinkodina be ihany ny mpanao politika. Nanamafy koa ny filohan’ny Ffkm fa tsy mbola maharesy lahatra ny rehetra ny rafitra misy amin’izao fotoana koa noho izany dia maro be ny zavatra mila alamina, saingy hatreto aloha dia tsy mbola hiditra amin’izany resaka fanelanelanana izany mihitsy ny Ffkm.

Mazava izany ity fanambarana ity fa tsy ho anisan’ireo hanelanelana aloha raha ny ato ho ato no resahana ny Ffkm na dia eo aza ireo fiantsoana azy ho amin’izany. Ny fiarahamonim-pirenena tamin’ny alalan’ny Cnosc moa dia efa niantso matetika ireto raiamandreny am-panahy ireto saingy samy nahita ny rehetra fa mitandrina aok’izany amin’ny serasera ataony ny Ffkm, koa izao izany vao mazava ny resaka. Hatramin’izay tokoa mantsy dia tafiditra tao anatin’ny savorovoro politika foana ny Ffkm tahaka ny tamin’ny 1991, ny tamin’ny 2002 ary farany teo tamin’ny 2009. Voasoketa mihitsy ireo filoham-piangonana sasany satria nambara fa momba an’izatsy na izaroa, ary ny tena nanahirana dia toa lasa nifandrafy izany mihitsy ireo antokom-pinoana samy ao anatin’ny Ffkm. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy ary dia tsy mety loatra ho an’ny Ffkm ny miditra amin’izany resaka politika izany fa tokony hijanona amin’ny maha raiamandreny azy izy ireo ka mananatra ny zanany amin’ny tsy mety ataony, mba hialana amin’ny tranga hafahafa mety hampiady ny samy mpino kristianina noho ny firehana politika sy ny fidiran’ireo mpitondra fivavahana lalina loatra amin’ny raharaha politika.

 
Nangonin’i RTT
 

Sary : Ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan’ny Fjkm sady filoha am-perinasa mitarika ny Ffkm

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT