Sahirana ireo miaramila eo amin’ny fitondrana any Egipta satria tsy mbola milamina ny tany na dia efa nirodana aza ny fitondran’i Hosni Moubbarak nolazaina fa nanao didy jadona.
Ny adin’ny antokom-pinoana indray izao no mitraga any an-toerana ka lasibatry ny afo ireo fiangonana kôpta sy kristianina izay azo atao hoe vitsy an’isa raha ampitahaina amin’ny Silamo. Tsotra ny tsy aritra tian-kambara amin’io tranga io dia ny hoe tsy mora izany manao revôlisiônina sy mitondra fanovana izany, ary mety hivadika zavatra hafa mihitsy aza raha toa ka tsy manana paikady mazava ireo mitarika ny fanovana. Raha nisy mpitondra tsy nazava ny fomba nitantanany ny firenena na ny volam-panjakana na ny harena ankibon’ny tany dia tsy ny fandrodanana avy hatrany, tahaka ny mitranga matetika aty Afrika no vahaolana fa ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra. Ny mpampalahelo anefa dia mahazo fafiny amin’ity mandrodana ity mihitsy ny aty Afrika sy ny any amin’ireo tany mbola sahirana na an-dalampandrosoana. Dia tsy mahagaga raha mihemotra fa tsy mandroso ny toekaren’izy ireo, ohatra velona amin’izany ny eto Madagasikara.
Efa tena nanomboka niainga ny asa fampandrosoana teto tamin’ireny 2007 ireny satria tafapetraka avokoa ny rafitra rehetra nilaina, saingy tsy nahari-pery ny olona ary mora noresen-dahatra dia nahazo laka ny mpanohitra sy ny mpandrodana dia izao iaraha-nahita izao ny zava-nisy. Misy sarany avokoa anefa ny zava-drehetra fa tsy misy izany hoe mandeha ho azy izany. Mora ny mandrodana fa tena sarotra ny manarina, ary eo indrindra isika izao. Efa tena latsaka an-katerana ny firenena, kanefa mbola mihodinkodina am-pitoerana ny mpitondra sy ny mpanao politika. Famonjena no nantenaina tamin’ny 2009, famonoana sy fanenjehana ary fanagadrana anefa no nitranga. Efa mihatra amin’ny roa ampahatelon’ny Malagasy ny fahasahiranana. Mihena ny isan’ny zaza miditra an-tsekoly. Mitombo ny herisetra sy ny asan-dahalo. Nihena ny vokatra any ambanivohitra. Tsetsefin’ny vahiny tsimoramora ny harena ankibon’ny tany Malagasy. Ny mpitondra amin’io mifaninana manao trano sy mividy fiara ary mivoaka any ivelany.
Tolona tokoa no natao, na teto Madagasikara io, na tany Egipta, na tany Tonizia, na ny any Libia amin’izao fotoana. Fa inona ny vokatra tsara azo tsapain-tanana, ary azo antoka ve fa hampilamina ny firenena marina ho amin’ny dimy taona manaraka ilay fandrodanana ? Ny tena marina koa dia ampifangaroan’ny maro ny hoe hentitra sy mampihatra ny lalàna sy ny hoe mpitondra tsy refesi-madidy manao didy jadona. Ny mpanao politika moa no tena mpamendrofendro vahoaka amin’io, koa raha vao mihenjana kely ny mpitantana dia lazaina fa mpitondra jadona, kanefa tsy mbola nisy firenena na iray aza ka nandroso raha tsy nisy mpitondra hentitra sy nampihatra an-tsakany sy an-davany ny lalàna, na dia nokianin’ny maro aza .
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.