Politique

Fandriampahalemana Hiatrana ambavam-basy ny Emmo-Reg


  • Zoma 18 Febroary 2011


Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny Emmo-Reg dia hiatrana ambavam-basy izy ireo eny Ivato ny sabotsy izao. Raha ity loharanom-baovao ity dia milaza fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hidiran’ny filoha Marc Ravalomanana ny Emmo-Reg. Ny jeneraly Ravalomanana Richard mihitsy no fantatra fa hitarika ny Emmo-Reg eny an-toerana. Ankoatra izay anefa dia misy ihany ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo mpitandro ny filaminana, indrindra ny avy amin’ny Tafika. Ireo manamboninahitra lefitra sasantsasany no fantatra fa tsy manaiky ny hitondrana ny Tafika eny Ivato amin’io sabotsy io.

Araka ny fantatra mantsy dia anisan’ny tsy nahafaly ireto miaramila ireto ny zava-nisy tamin’ny 7 febroary ka nahafatesana sivily maro. Tsy manaiky ny hamonoana ny Malagasy izy ireo. Ny mpanao politika mandalo fa ny miaramila mitoetra mandrakariva miaraka amin’ny vahoaka ka tsy tokony hampiasain’ny mpanao politika hatao fitaovana ny miaramila, hoy ny sasany tamin’ireo manamboninahitra lefitra ireto.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT